Archives journalières 12 décembre 2017


OMS : Mamolavola tondro zotra hisorohana ny fiparitahan’ny pesta.


“Mbola mitohy ny ady na dia nandresy tamin’ny fifehezana ny valan’aretina pesta”.  Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny pesta mifindra amin’ny alalan’ny parasy na “bubonique” ny eto Madagasikara. Amin’ny volana aprily 2018 any vao hifarana izany. Ho fanamafisana ny fifehezana sy fisorohana azy ity, nanao jery todika ny asa vita nandritra ny firongatry ny pesta “pulmonaire”  izay nahafaty Malagasy maro ny Fianakaviambe manerantany  ho an’ny fahasalamana (OMS). Continuer la lecture


ORANGE MADAGASCAR: Manome lanja ny fahasalaman’ny mpiasa.


Hanampy ny fikambanana misahana ny olona tra-pahasembanana ny “application ellomi”. Ahafahana mamantatra ny toe-batan’ireo manana fahasembanana ara-batana, ara-tsaina ity application vaovao navoakan’ny orinasa Orange ity. Tsy ny fahasembanana hita maso ihany no azo ampiasaina ny “ellomi” fa ahazoana vaovao ara-potoana ny toe-pahasalaman’ny olona iray ao anatin’ny fivoriana na toeram-pisakafoana… ihany koa izy ity. Continuer la lecture