Archives journalières 20 novembre 2017


KOPIKOLE SY DECOUVERTE MADAGASCAR 2017: Nandrombaka ny amboara ny kopikolé Tahiry sy i Tsilira.


Nibata ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana “kopikolé” 2017 ny kandida avy eto Antananarivo.   Tamin’ireo kandida  folo tafakatra tamin’ny dingana famaranana, nisalotra ny kopikolé  2017  i  Miora,  kopikolé Tahiry.  Fivahinianana Budapest, renivohitry ny firenena  Hongrie ny tenany. Loka avy amin’ny  British School of Madagascar  izy ity.  Tsilira avy ao Toliara kosa no nahazo ny amboara tamin’ny fifaninana an-kira “découverte Madagascar”. Continuer la lecture


EFOI MADAGASCAR: Hankalazaina any Toamasina ny faha-10 taona ny fikambanana.


« Hetsika telo sosona no hitranga ao amin’ny Toamasina ny 21 ka hatramin’ny 26 novambra 2017. Mandritra ny herinandro, handravaka ny araben’ny fahaleovantena an’ny kaominina ambonivohitra ny hetsika “AVI Lecthis”, ny “salon de savoir-faire féminin” na hetsika ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha ary fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana eto Madagasikara (EFOI Madagascar). Continuer la lecture