Archives journalières 6 octobre 2017


FY VARY : Hampivoatra ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara.


Nosokafana sy nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 05 Oktobra 2017 tetsy Antaninarenina ny tetikasa FY VARY « FertilitY sensing and Variety Amelioration for Rice Yield ». Hampivoatra ny teknika fambolem-bary manaraka ny toe-tany arakaraka ireo faritra eto Madagasikara no tanjona.

Faritra mpamokatra vary.

Faritra Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro no anaovana ity tetikasa FY VARY ity. Manomboka amin’ity taona 2017 ka hatramin’ny 2022 ny faharetany. Mitentina 12,7 lavitrisa Ariary ny vola ampiasaina ao anatin’ny izany dimy taona izany. Mifantoka amin’ny fampivoarana ara-teknika fambolem-bary, fampivoarana sy manatsara ny nofon-tany mba hanatsarana ny vokatra vary, fampivoarana ara-teknika ireo masom-boly mifanaraka amin’ny toe-tany anaovana ny tetikasa ary farany, fijerena sy fanaovana tombana ny vokatry ny tetikasa amin’ireo tantsaha.

Fanjakana Malagasy sy Japon.

Tetikasa iarahan’ny fanjakana Malagasy sy ny firenena Japoney ny FY VARY amin’ny fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fambolena. Fanamafisana sy fizarana fahaiza-manao eo amin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny tetikasa. Noho izany, ny Ministera eo amin’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana ( MPAE ), sy Japan International Research Institute for Agricultural Sciences ( JIRCAS ) no mandrindra ny tetikasa. Hiaraha-miasa amin’ny Office National de Nutrition ( ONN ), ny Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural ( FOFIFA ), ny Laboratoire des Radioisotopes de l’Université d’Antananarivo ( LRI ), ny l’Université de Tokyo ary ny Université d’Yamanashi Eiwa.
Nirina R.

HORONAN-TSARY