Am-polony ny orinasa manohana ny hetsika Marathon International de Tana (MIT). Tao ny efa nanohana ny hetsika teo aloha, tao ihany koa no mbola vaovao. Noho ny fahombiazana tamin’ny andiany 16 nifanesy, manohana hatrany ny MIT ny orinasa CRBC izay orinasa nanamboatra ny “rocade” Andohatapenaka. Handalo eny amin’ny lalan’ny frankofonia Andohatapenaka izany ny lalao foulées écolos (10km). Continuer la lecture