Archives journalières 20 septembre 2017


Lanterne taxi-ville eto Antananarivo : Maimaim-poana sady tsy an-tery no ahazoana izany


Telo tonta no namolavola ny tetikasa ho amin’ny fanatsarana ny fampiasana ny fitaterana an-dRenivohitra eto Antananarivo. Teo ny CUA (Kaominina Antananativo Renivohitra) , ny FTAR (Fikambanan’ireo matihanina amin’ny fanaovana ny Taxi-ville) ary ny  orinasa tsy miankina Publimotion. Efa nanomboka tamin’ny Desambra 2016 no nahatafatambatra ny rehetra tamin’ny hoe mila hazaina sy tsy tokony hahazo sehatra intsony ny mpitandraka ny asa fitaterana amin’ny « fomba maloto ». Continuer la lecture


ASAN-DAHALO: Mihainohaino fotsiny ny fitondram-panjakana.


Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Betsipolotra, distrika Miandrivazo. Miharipaky ny daholo ny hany mba sisa fananan’izy ireo. Omby 1400 lasan’ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana 50 isa, ny talata 12 sy alarobia 13 Septambra 2017. Nanara-dia azy ireo ny solon-tenan’ireo tompon’omby izay manodidina ny roapolo ka tamin’izany no nahafantarana fa natoby tao Manandaza, lemaka akaikin’i Itondy, distrika Miandrivazo ireo omby halatra ireo. Continuer la lecture