Archives journalières 22 mars 2017


MBOLA AZO AMPIASAINA NY « PERMIS DE CONDUIRE » SY NY « CARTE GRISE » ANKEHITRINY…


Nihemotra amin’ny 31 Desambra 2017 indray ny fe-potoana farany hiasan’ny taratasy fahazoana mamily fiara  sy ny « carte grise » ny fiara-kodia. Antony lehibe tsy maintsy anovana ireo taratasy ireo ho biometrique ny andiovana ny « permis de conduire »  sy ny « carte grise » sandoka raha ny fanazavana azo. Aorian’io fotoana io kosa dia ny « permis de conduire » sy « carte grise » biometrique no ampiasaina kanefa kosa tokony azo atao hatrany ny manova ny teo aloha.

Nirina R.


FIANARANA AMBARATONGA AMBONY TSY MIANKINA: Misy oniversite mampiasa ny fankatoavana lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra.


Betsaka ny tanora vao afaka bakalorea no tsy mahafantatra akory ny tena marina ambadiky ireny fianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana milaza fa “habilité par l’Etat”. Diso ny filazana hoe: “université habilitée par l’Etat” fa formation(s) habilitée(s) par l’Etat no fiteny. Continuer la lecture