Archives journalières 9 septembre 2016


ALEO … AVALONA


Tsy ny fitiavanao no laviko,

fa ny hoavinao sy ny hoaviko

no efa nizara roa.

 

Samy sarotra zakaina

na ilay fo mibaiko saina

na ilay saina hibaiko fo.

 

Fa raha tsy maintsy hosafidiana

dia aleo ny foko hangina,

aleo ny fo hampandeferina.

 

Ny fonao koa mba toneo…

… Malahelo aho, saingy, aleo

hody irery aho f’àza aterina.

 

Hely Ony, 2016-09-07, 12:37

 

273178_245573785466336_1496138_o