Archives journalières 12 mars 2016


TSIMIONDRA: « Mandainga ny Filoham-pirenena ».


Tsy mety mitsahatra ny raharaha nahafatesana tovolahy iray niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana any Marotsipohy Anjozorobe. Mbola mitohy izany hatramin’izao ary zary lasa fifamaliana eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fianakavian’ilay maty mihitsy aza. Nilaza ny tao amin’ny CIRGN fa tsy nisy poa-basy izany tamin’ny fotoana nanambaran’ny fianakaviana fa maty ny zanany, raha natao ny fanadihadiana ny fokonolona.
Novalian’ny fianakaviana izany teny izany ka nampiantso ny mpanao gazety izy ireo teny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary. Fiarovana ny ekipany fotsiny ny fanambarana nataon’ny CIRGN hoe: tsy nisy fitifirana tamin’io fotoana io ary raha ny hevitry ny fokonolona no nanontaniana dia rariny izy ireo raha namely hoe: “tsy nahare poa-basy” satria 50 km miala ny “carriere” vao misy tanana ka tsy ho re velively izany”, hoy Tomasy TSIMIONDRA, rahalahin-drain’ilay Tovolahy maty.
“Malahelo tokoa izahay fianakaviana fa mandainga amin’ny vahoakany ny Filoham-pirenena satria izahay anisan’ny vahoaka”. Raha tsy zanany i Mathieu dia tsy tany izany ilay olona voalaza fa nitondra mpitandro filaminana niaraka tamin’ny vadintany nandroaka ireo mpitrandraka. Nanizingizina anefa Atoa TSIMIONDRA fa tany ny zanakin’ny Filohan’ny Repoblika ary anisan’ny tomponandraiktra tamin’ny naha voatifitra ny zana-drahalahiny.
Araka ny fanazavana hatrany, efa nametraka fitoriana teny amin’ny “procureur de la Republique” mihitsy ireto fianakaviana mitady an’izao vata-mangatsikan’izao zanany izao fa tsy nisy vokany izany hatramin’izao. Manana olona voatondro nahavanona ny loza ireto farany izay voalaza ao anaty fitoriana, araka ny fanazavan’i YRMAND, rahalahin’ny maty sady nanofa ilay toeram-pitrandrahana.
Mangataka ny fianakaviana fa raha “te ahita ny marina dia avelao ny “procureur de la Republique” hanao ny asany tsy misy teritery fa tsy ilaozana mamorona lainga eo fotsiny”.
Lynda A.