Archives journalières 5 mars 2016


Famangiana hafa kely !


Hafa indray ity famangiana iray ity. Samy eny anoloana avokoa ny rehetra. Ny valopy famangiana mivezivezy sy vao ho fenoina vola eo imason’ny vangina. Ny mandray fitenenana etsy an-daniny mamangy, ny miaraka aminy mihetsika atsy mihetsika eroa. Mahita atao isika Malagasy e ! Ny mpanao politika mantsy e !

Nirina R.


“Ny fanampiana ny an’ny Atsimo izao tokony imasoana fa tsy ny adi-poko”.


Mikaon-doha fatratra ireo avy any amin’ny faritra Androy izay mahatsapa fa voatonotonona manoloana ny raharaha Ankaraoka Anjozorobe. Nivory ireo zanak’Androy ny 03 Martsa lasa teo mba itadiavam-bahaolana haingana mahakasika io raharaha io. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka izy ireo ka nilaza fa tokony hifampiresaka ireo voakasika amin’izany dia ny tompon-tany sy ny mpanofa. Nambaran’ny Loholona MAMITIANA Fabergé fa hisy ny fanambarana natao kanefa noho ny fandaminana sy ny resaka amin’ny ara-drazana dia atao amin’ny manaraka izany. “ Nifanaraka koa ny rehetra fa tsy misy olona manambara fa feon’ny Androy izay havoaka amin’ny haino aman-jery”. “Niteny amin’ny anarany manokana ireo nanao fanambarana ireny fa tsy nifampierana”, hoy izy. Miantso fitoniana noho izany ny zanak’Androy.” Ny ady atao amin’ny kere any Atsimo izao no tokony iraisan-kina”.

AUDIO : MAMITIANA Fabergé

Marihina fa nisy loholona vitsivitsy nanatrika ny fivoriana toy ny loholona KOLO Roger, MAMITIANA Fabergé. Mbola hanao fanambarana miaraka ireo zanak’Androy ireo.

Lynda A.

MAMITIANA Fabergé ( loholona )