Archives journalières 10 janvier 2016


FITAKIANA NY « ILES EPARSES » : Tsy navelan’ny mpitandro filaminana hanao ny hetsika


Nosakanan’ny mpitandro filaminana tsy hanao ny hetsika ireo vondron’ny mpitaky ireo nosy kely Malagasy. Tonga teny Ambohijatovo izy ireo nahitana an’i ANDRIANJAKA Rajaonah…Nandefasana vovoka mandatsa-dranomaso mihitsy. Tsy niala teny anefa izy ireo na dia nisy aza izany. Voasakatsakana ihany koa anefa ny fifamoivoizana noho ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana ny lalana mba hanakanana azy ireo tsy ho any Analakely. Nanentana izay tia tanindrazana izy ireo ho tonga eny amin’ny foiben’ny otrikafo etsy Andravohangy rahampitso amin’ny 10 ora maraina.
Marihana fa ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA raha nanao ny kabariny teny Mavoloha dia niteny fa « hajaintsika ny zo haneho hevitra sy fahalalahana noho ny maha demokraty antsika. Aoka kosa tsy hisy ny fihoaram-pefy mitondra amin’ny fampiadiana amin’ny samy Malagasy, mitondra amin’ny fanelezana lainga sy tsaho mampisavorovoro ny saim-bahoaka, mitondra amin’ny fanitsakitsahana ny zony sasany ». Ka asa na inona amin’ireo no zavatra nitranga teny Ambohijatovo ny Sabotsy lasa teo? Nanaja ny zo naneho hevitra ve ny fanjakana ? tena demokraty tokoa ve ? Nisy fihoaram-pefy ve teny ka nampiady ny Malagasy ? Namafy lainga sy tsaho ve ny mpitarika ny hetsika ka nisavorovoro ny saim-bahoaka? Ny mpitandro filaminana indray aza no nanitsakitsaka ny zon’ny sasany tsy handeha malalaka fa nosakanana ny lalana. Tsy navela andeha amin’ny sisin-dalana izy ireo raha nangataka ny andeha amin’izany.
Araho ny zavatra ny tranga teny Ambohijatovo amin’ity horonan-tsary ity.
Nirina R.

VIDEO