Archives journalières 10 décembre 2015

Oniversité Ankatso: Lasa toeram-pitokonana


Nitokona androany ny mpiasan’ny sampandraharaha misahana ny tranon’ny mpianatra eny amin’ny onivesrsite an’ Antananrivo eny Ankatso II. Anton’izao fitokonana izao ny tsy mbola nahazon’izy ireo karama roa volana ankoatran’ity volana ity. Efa nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra izy ireo saingy tsy afa-po tamin’ny valiteny azo. Nanakan-dalana sy nandoro kodiarana tamin’iny lalana nihazo ny tranon’ny mpianatra teny Ankatso II iny izy ireo ary nilaza ny tsy hiverina amin’ny asany raha tsy azo io karama takiana io. Nanampy ireo mpiasa nitokona ihany koa ny mpianatra sasany mipetraka eny Ankatso II noho ny tsy fisian’ny fikarakarana amin’ny tranon’izy ireo.

Oram-be teto an-dRenivohitra: olona telo no maty


Olona telo no voamarina hatramin’izao fa namoy ny ainy vokatry ny rotsak’orana omaly. Ny iray tototry ny tamboho teny Manakamabahiny izay tovovavy kely 14 taona, ny roa kosa nentin’ny rano teny Besarety. Alina ihany dia efa nalain’ny fianakaviany ny razan’ilay ramatoa hita teny Besarety. Androany kosa vao nalain’ny BMH ilay razan’ilay rangahy iray voalaza fa mpitsabo. Mbola nifanjevo tamin’ny fanalana rano tao anaty trano sy ny fivarotana hatrany ny mponina eny an-toerana tamin’ity anio ity hatramin’ny 10 ora maraina.

Tetik’asa Tatom: Gasy sy Japoney


Nampafantarina androany teny amin’ny ministeram-panjakana miandraikitra ny fiadidian’ny Repoblika, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana teny Anosy ilay tetik’asa TATOM na AnTananarivo Toamasina. Tetik’asa momban’ny fanajariana ny tany hiarahan’ny mpitondra Malagasy sy ny JICA. Mitentina 3 tapitrisa Dollars ny fanantaterahana ity tetik’asa ity izay entina hanatsarana ny fifandraisan’ireo tanàn-dehibe roa ireo.
Anton’izany dia noho ny fisian’ny serana-tsambo lehibe ao Toamasina izay mampiakatra vokatra aty an-dRenivohitra ary koa ny fanatsarana ny fifandraisan’ireo tanàna roa ireo momban’ny fanajariana ny tany. Eo ihany koa ny fahaizan’ny Japoney mifehy ny fanajariana ny tany sy tanàn’dehibe ka hiandradranana vokatra tsara amin’izy ireo ny fanaovany izao tetik’asa izao. Ny faran’ny volana Desambra no hanomboka ny fitadiavana ny olona hanao ity asa lehibe ity raha amin’ny 2017 no hivoaka ny drafim-panajariana.


Quid de la manif’ prévue à Ambohijatovo ?


Après la récolte de milliers de signatures durant 3 jours à l’Espace Rarihasina,  les organisateurs du mouvement pour la revendication de nos îles dites Éparses dont l’Amicale ses anciens CST et sénateurs (ACS) ainsi que le parti Otrikafo de Rajaonah Andrianjaka, entendent tenir une manifestation envers et contre tout, à Ambohijatovo, ce samedi 12 décembre. Continuer la lecture

CENI: Miasa mafy, mahazo volabe…


 

Tsy mora ny asan’ny CENI na ilay vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana. Izany asa mafy izany (angamba) no handraisany karama be?

Filoha :  6 625 000 ariary, miampy fiara voavatsy lasantsy, trano fonenana, telephone sns…

Filoha lefitra : 5 950 000 ariary

Mpampaka-teny : 5 425 000 ariary
Ireo mpanolo-tsaina : 5.000.000 ariary


Federasiona Tenisy : Handray fifaninanana iraisam-pirenena


 

Anisan’ny kandida ka hametraka ny fahafahany mandray sy mampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’I Afrika amin’ny taona ho avy io isika Malagasy eo amin’ny taranja tenisy ho an’ny sokajy zandriny. Hiezaka ny handray fifaninanam-pirenena  maro ny federasiona malagasin’ny taranja tenisy amin’io taona 2016 ho avy io, hoy ny tompon’andraikitra.

Ankoatran’io fiadiana ny ho tompondakan’I Afrika io dia maniry ny handray ny Fed Cup ihany koa izy ireo. Efa mahafantatra ny fisiantsika sy ny fahaizan’iureo atletantsika ny any ivelany ka izany no anisan’ny tombony ho antsika amin’ny mety hahazoana io fifaninanana iraisam-pirenena io.

Firenena maro no ho avy

Raha toa kazontsika soa aman-tsara ny fiadiana ny tompondkan’I Afrika dia fienena 18 eo no ho avy eto amintsika ary any amin’ny firenena 21 any kosa no ho tonga hamaly ny fanasana rah any Fed Cup kosa no horaisintsika hoy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tenisy Tsialiva.

Hanokatra ivon-toeram-piofanana

Ankoatran’io dia nilaza ihany koa ny filohan’ny federasiona malagasin’ity taranja ity fa efa an-dalana amin’ny fanokafana ilay centre federal  ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny tenisy .fantatra fa fiaraha-miasa amin’ny federasiona iraisam-pirenena izany tetik’asa izany . naneho sahady ihany koa izy ireo fa nahatafiditra mpilalao Malagasy efatra izay ahitana an’I Toky, Narindra, Mialy ary Tsantaniony izay hiofana any Maraoka izy ireo. Noho ny fiaraha-miasa  amin’ny ray amndreny sy ny federasiona no nahavitana nandoa ny sarany rehetra teo amin’ny  fikarakarana sy ny droit amin’ny fidirana any Maraoka.

José R