Socio-eco

FANORO – Fanatsarana Ombivavy be Ronono : Mpampanaraka enti-tanana miisa 20 vita fiofanana


Vita nandritra ny volana desambra 2020 sy janoary 2021 ny fampiofanana ireo mpampanaraka enti-tanana vaovao 12 sy efa manana traikefa 8 hiasa manerana ny faritra 3 mpamokatra ronono eto Madagasikara dia Vakinankaratra, Analamanga sy Itasy.
Ny tanjon’ny fampiofanana  dia ny hanatsara ny taha-pamokarana ronono amin’ny alalan’ny fanatsarana ny taha-piterahana zanak’omby. Mpitsabo veterinera moa no nitarika ny fampiofanana izay natao tao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra, Antsirabe.
Izy 12 mianadahy ireto dia voahofana ho mpanolo-tsaina ho an’ireo mpiompy sady teknisiana mahafehy ny teknolojia vaovao momban’ny fampanarahana enti-tanana.
Tsiahivina fa FIFAMANOR sy ny orinasa Socolait no mpiara-miombon’antoka ara-teknika anatin’ity tetikasa ity.
Nanagona: Miora Razafy
loharano: Tetikasa fihariana

One comment on “FANORO – Fanatsarana Ombivavy be Ronono : Mpampanaraka enti-tanana miisa 20 vita fiofanana

  1. Pingback: FANORO – Fanatsarana Ombivavy be Ronono : Mpampanaraka enti-tanana miisa 20 vita fiofanana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *