Socio-eco

ZEZIKA BIOLOJIKA GUANOMAD: Miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo


Mampiakatra ny tahan’ny vokatra avy amin’ny fambolena ny fampiasana zezika biolojika. Ho an’ny firenena lehibe tahaka an’i Chine, 200 kilao isaky ny hektara ny zezika ampiasain’ny tantsaha. Izany no mahatonga an’ity firenena ity voasokajy ho anisan’ny mpamokatra vary be indrindra maneran-tany. Mifanohitra amin’izany ny eto Madagasikara. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra zezika biolojika Guanomad, Erick Rajaonary fa 10 kilao isaky ny hektara ny zezika ampiasain’ny tantsaha Malagasy. Hany ka kely ny vokatra miakatra. Hatramin’izao anefa mbola tsy tratra ny fanambin’ny fitondram-panjakana fa tokony hahavitan-tena ara-tsakafo ny firenena Malagasy. Araka ny fanazavan’i Erick Rajaonary hatrany fa tokony atao ho laharam-pamehana ny fampiasana zezika biolojika mba hampitomboana ny vokatry tany.

Zezika biolojika avy amin’ny tain-dramanavy ny vokatra aparitaky ny Guanomad. Vina ho an’ny orinasa ny fampiroboroboana ny fandriam-pahalemana ara-tsakafo. “Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fambolena”. Tsy mahasahana ny mponina eto Madagasikara anefa ny vokatra miakatra satria kely. Raha ny salan’isa nomen’ny filoha tale jeneralin’ny Guanomad, mitondra 20 % amin’ny hari-karena faobe Malagasy ny vokatra avy amin’ny fambolena. Afaka hampiakarina izany satria 36 tapitrisa hektara ny tany azo volena eto Madagasikara. Mbola ny 10 % amin’io ihany no misy mampiasa amin’izao fotoana izao. Mila tohana ara-bola sy ara-pitaovana anefa ireo tantsaha mba hanamoran’izy ireo ny asa famokarana.

Lynda A.

Horonan-tsary


2 comments on “ZEZIKA BIOLOJIKA GUANOMAD: Miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *