Socio-eco

ZAZA MANANA FAHASAROTANA AMIN’NY FIANARANA: Manampy azy ireo ho mahaleo tena ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA


Noho ny finiavan’ireo ray aman-dreny manana zanaka misedra fahasarotana amin’ny fianarana dia nanokatra ivon-toeranam-pampianarana natokana ho azy ireo eny Androhibe ny fikambanana AVANA. Manana vina hanampy ireo zaza manana fahasarotana amin’ny fianarana ho mahaleo tena ny fikambanana ka ao anatin’ny paikady tanterahina ny fametrahana fifampitokisana eo amin’ireo ankizy raisina an-tanana eo anivon’ny ivon-toerana sy ny fanomezana tantsoroka manokana ho azy ireo. Manoloana izany, niezaka mafy ny fikambanana mba ahafahana mampiofana ireo zaza amin’ny lafiny informatika. Ho fanohanana ny ezaka efa vitan’ny fikambanana AVANA dia nanolotra fitaovana ara-informatika ho ampiasaina ao amin’ny toerana hianarana momba ny nomerika ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA-Madagascar. Unités centrales 10 no nomen’ny Orange Solidarité ary ireo kojakoja toy ny “écran, clavier, souris no natolotrin’ny Fondation BOA. Tonga teny Androhibe ny Filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja sy ny Filohan’ny Fondation BOA-Madagascar, Sidika Akbaraly nanatitra ireo fanomezana ireo ny talata 22 novambra 2022. Tsara ny mampahafantatra fa mpikambana ao amin’ny federasionan’ny Autisme eto Madagasikara (AUFEM) ny AVANA nanomboka tamin’ity taona 2022 ity.

Fiofanana momba ny SuperCodeurs

Hahazo fiofanana avy amin’ny Orange Solidarité ireo mpanabe ao amin’ny AVANA mba ho tonga “coach SuperCodeurs ». Isam-bolana dia hisy atrikasa fampiofanana momba ny SuperCodeurs natao ho an’ireo zaza beazina ao amin’ny ivon-toerana. Ny fanohanana ataon’ny Orange Solidarité tahaka izao dia fanamafisana ny fandrasaina andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana mampiaty  eto Madagasikara sy fanampiana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Resy lahatra ihany koa ity fikambanana misahana ny ara-tsosialy ao amin’ny orinasa Orange ity fa fomba iray ahafahan’ny rehetra, ao anatiny ireo olona miaina ny autisme, hahazo tombontsoa ny nomerika. Manamora ny fampianarana sy fampiofanana ireo miaina ny « autisme » ny nomerika arak’izany. Ho an’ny Orange Solidarité dia manamafy ny fandraisana andraikitrany amin’ny fampisitrahana ny fampitovian-jo amin’ny nomerika ny fiarahamiasany amin’ny federasionan’ny Autisme eto Madagasikara (AUFEM).  Marihina fa efa ho 30 taona Fondation Orange no nandray andraikitrany ho an’ny “autisme” ary manohana ireo hetsika isan-karazany manampy ireo olona “autiste”, ny fianakavian’izy ireo ary ireo mpisehatra mandray an-tanana azy ireo. Nanampy ny Orange Solidarité tamin’ny fanantanterahana ireo hetsika ho an’ny “autisme” teto Madagasikara ny Fondation Orange nandritra ny taona maro.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *