Socio-eco

ZAVA-MANIRY JATROPHA ANY TSIHOMBE: Nahavitana solika ary mora noho ny “gasoil” ny vidiny


Miodina amin’ny “biocarburant” vita amin’ny “jatropha mahafalensis”  ny groupe éléctrogène ampisain’ny orinasa Phileol Madagascar. Tamin’ny alalan’ny GEMAHA, tetikasa famokarana herinaratra, ho an’ny tontolo ambanivohitra, avy amin’ny “jatropha mahafalensis” hita any Atsimon’i Madagasikara, distrikan’i Tsihombe no nahafahana namokatra io solika io. Ho entina hanoloana ny gasoil mba hitsinjovana ny tontolo iainana sy hampidiram-bola ireo olona manangona ny voan’ity zava-maniry ity no tanjon’ny tetikasa. Famatsiam-bola avy amin’ny COI (Commission de l’Océan Indien) no nanaovana ny fikarohana sy ny fanodinana ny voan’ity zava-maniry ity ho lasa solika. Araka ny fanazavan’ny tale mpiara-mpitantana ny Phileol dia ny fanodinana ny jatropha ho lasa menaka no nataony orinasa fa noho ny fiarahamiasa tamin’ny Cirad tao anatin’ny tetikasa GEMAHA dia nahomby ny fanodinana azy ho lasa solika. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny “jatropha curcas” hita any amin’ny toeran-kafa ity “jatroha mahafalensis” ity. Nisy ny atrikasa famaranana ny tetikasa izay natao androany 7 novambra 2019 teny Andrianarivo.

Fiara

Ankoatra izany, anisany tombony iray amin’ny fampiasana ny solika avy amin’ny jatropha satria  mora kokoa, latsaky ny vidin’ny gasoil ny litatry ny “biocarburant jatropha”. 3024 Ariary ny litatra raha toa ka 3.400 ny gasoil. Araka ny fanazavan’ny tale hatrany fa mety hidina ambany kokoa io vidiny io raha hahenan’ny ministeran’ny tontolo iainana ny hetra alaina isaky ny voan’ny  “jatropha” iray kilao. “ 75 Ariary izany amin’zao fotoana. Raha midina 25 Ariary any na foanany dia milatsaka be noho izay ny litatra”, hoy izy. Hiakatra avo dia avo anefa ny vidin’io solika “jatroha” io raha ho entina eto Antananarivo satria lafo ny saran’ny fitaterana.

Hatreto mbola ny “groupe élétrogène” no mety  amin’ny solika vita avy amin’ ny “jatropha mahafalensis”. “Raha ho ampiasaina amin’ny fiara kosa dia mbola mila fanamboarana kely ity solika ity na ny fiara”. Mbola ny orinasa Phileol ihany koa no mampiasa azy fa vina lavitra dia ho ampiasain’ny Jirama  sy hopitaly  ao Tsihombe , Ambovombe.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *