Socio-eco

ZANDARIMARIAM-PIRENENA: 1200 ny mpianatra ho zandary ho raisina ho an’ny andiany faha-76


Misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy amin’ny fanadinana hidirana ho mpianatra zandary andiany faha-76.  Nanomboka ny 30 novambra 2020 izany ary mifarana ny 29 janoary 2021 amin’ny 05 ora hariva. Araka ny fanazavan’ny Chef d’escadron Rakotonjanahary Yves, lehiben’ny sampandraharaha miahy ny manamboninahitra lefitra eo anivon’ny fibaikoan’ny  zandarimariam-pirenena fa 1200 ny mpianatra ho zandary ho raisina amin’ity andiany ity. Mitsinjara tahaka izao izany: “candidats ordinaire” lehilahy 800, “candidats ordinaire” vehivavy 120, kandida miaramila na efa nanao miaramila 100, zanak’ireo zandary maty 100, spécialistes 80.

Ny datim-panadinana kosa dia hizara roa. Ny dingana voalohany dia ho tanterahina ny 27 sy ny 28 martsa 2021 eny anivon’ny faritra. Iray volana aorian’ny fivoahan’ny valim-panadinana tamin’ny dingana voalohany kosa ny dingana faharoa ary atao any amin’ny sekolin’ny zandarimaria nasionaly any Ambositra . Bakalorea no diplaoma takiana. Ho an’ny refy dia lehilahy mihoatra ny 1 metatra sy 68 ary 1 metatra sy 63 ny mpiadina vehivavy. “Marihina fa izay rehetra tsy mahafeno ny halavana takiana dia tsy ho raisina ny antontan-taratasy fandraisan’anjarany”, hoy izy. Raha ho an’ny taona indray dia tanora eo anelanelan’ny  20 taona ka hatramin’ny 30 taona, izany hoe teraka teo anelanelan’ny 01 janoary 1991 ka hatramin’ny 31 desambra 2001 ho an’ny mpiadina lehilahy. 20 taona ka hatramin’ny 28 taona, izany hoe teraka teo anelanelan’ny 01 janoary 1993 ka hatramin’ny 31 desambra 2001 ho an’ny mpiadina vehivavy. 35.000 Ariary ny saran’ny fandraisana anjara. Azo antsoina amin’ny laharana 034 14 006 29, amin’ny fotoana rehetra ny Lehiben’ny sampandraharaha miahy ny manamboninahitra lefitra eo anivon’ny fibaikoan’ny  zandarimariam-pirenena raha misy fanampim-panazavana. Azo antsoina ihany koa  ny Ivotoro amin’ny laharana maitso 640.

Nirina R.


2 comments on “ZANDARIMARIAM-PIRENENA: 1200 ny mpianatra ho zandary ho raisina ho an’ny andiany faha-76

  1. Pingback: ZANDARIMARIAM-PIRENENA: 1200 ny mpianatra ho zandary ho raisina ho an’ny andiany faha-76 - ewa.mg

  2. SOAVANONA

    Bonjour,
    Afaka mba mahazo fanazavàna ve mahakasika ireo taranja hanadinana ny mpianatra izay hiroso amin’ny dingana faharoa amin’ny fanadinana dingana faharoa izay atao ao Ambositra amin’ny 08 Août 2021 ? inona avy ireo taranja hanadinana ny mpiadina ? Azafady indrindra tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *