Socio-eco

ZANANDRANAVALONA : Efa tapaka ny daty iraisana amin’ny taom-baovao Malagasy


Ny 14, 15, 16 jona 2018 no hankalaza ny Alahamady na ny taom-baovao Malagasy ny fikambanan’ny Zanandranavalona. Andro alakamisy ny 14 jona 2018 ka ny 15 jona 2018 vao tena hanomboka ny fankalazana. « Andro fady tsy hahavanonan-javatra ny andro alakamisy. Mbola mitandro izany ny fikambanan’ny Zanadranavalona », hoy ny filohan’ny fikambanana  Alain Ravelonarivo. Eny Anosimanjaka ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy eto Imerina. Amin’ny 08 ora maraina ny fanandroana, amin’ny 10 ora maraina kosa ny fitsofan-drano. Handravaka ny taom-baovao Malagasy ny hiragasy izay katrohan’ny tarika Emislon Tsy makalagy sy Sahavato Ambohimandroso.

Tapa-kevitra

Efa nisy ny fivoriana niarahana teny amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny vakoka fa ho atao isaky ny volana septambra ny daty iraisana amin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Efa notanterahina izany tamin’ny herintaona. Any Fianarantsoa no hanaovana ny taom-baovao Malagasy iraisan’ny foko 22 amin’ity taona ity. Ny 9 ka hatramin’ny 11 septambra 2018 ny daty voatondro. “Hisy ny hetsika fitadiavam-bola hikarakarana io taom-baovao Malagasy io ka eny amin’ny “espace Pk 0” Soarano no hanatontosana izany ny voalohany volana jolay 2018”, hoy ny Mpandrindra ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy iraisana, Randriamaronony Razanaka Laurent.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *