Socio-eco

ZANAKY NY DISTRIKAN’I BETROKA: Hanova ny tantara


Rehefa miresaka an’i Betroka dia ny asan-dahalo sy ny halatr’omby no loha lisitra mampalaza ity distrika faha-telo ao amin’ny faritra Anosy ity. Manana ny mampiavaka azy anefa distrikan’i Betroka raha amin’ny lafiny famokarana no resahana, araka ny fitantaran’ireo zanaky faritra sy ireo mbola monina any an-toerana. Anisany mamatsy vary, mangahazo, voanjo be indrindra ny faritra Atsimo ny distrikan’i Betroka, hoy solontenan’ireo zanaky ny faritra, Raholinarivo Paolo nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, androany talata 9 aprily 2019. Nambarany fa takona ireo mampiavaka an’i Betroka noho ny tsy fandriam-pahalemana.

Manoloana izany indrindra dia nisafidy ny hanohana kandidà ho an’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019 ireo zanaky ny faritra. Mivondrona ao anatin’ny vovonana iray izy ireo izay ahitana ny fikambanana “association des jeunes pour le développement du Betroka”, ny ekipan’ny « Initiative pour l’Emergence de Madagascar (IEM) de la région Anosy », ireo teknisiana isan-tsokajiny… Ny kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Betroka, Raobelitsirofo Vôjanahary no atokisan’izy ireo fa hitondra ny hetahetan’izy ireo eny amin’ny Antenimierampirenena. “Mitaona ny zanaky Betroka hiara-hanova ny tantara”.

Lynda A.


One comment on “ZANAKY NY DISTRIKAN’I BETROKA: Hanova ny tantara

  1. Pingback: ZANAKY NY DISTRIKAN’I BETROKA: Hanova ny tantara - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *