Socio-eco

YALI CHAPTER MADAGASCAR: Mikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy


Haneho ny fomba fijeriny amin’ny alalan’ny sary momba ny fifidianana eto Madagasikara ireo mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP). Hetsika voalohany karakarain’ny fikambanana Yali Chapter Madagascar amin’ity taona 2019 ity fifaninanana manao sary ity. “Za mizara fitiavana” ny anarana nampitondraina ny hetsika. Ny tapak’andro maraina ny 16 febroary 2019 eny amin’ny EPP Analamahitsy no hanaovana ny fifaninanana. EPP eto Antananarivo Renivohitra miisa 20 no handray anjara ary samy handefa solontena lahy sy vavy ny sekoly tsirairay. Omena an’ireo mpifaninana ny fitaovana hanaovana ny sary. Ho asehon’izy ireo amin’ny alalan’ny sary ny fomba fahitany ny fifidianana eto amintsika, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny Yali Chapter Madagascar, Herizo Andriamiarana. Ho fantatra amin’io fotoana io ihany ny mpandresy. Fandokoana ny sekoly hianaran’ilay mpandresy ny loka voalohany saingy mialoha ny hilazan’ny mpitsara ny valin’ny fifaninanana dia hisy ny fanamboarana zaridainan’ny EPP Analamahitsy sy fizarana “gouter” ho an’ny ankizy ary fanentanana.

Efa nisy ireo fikambanana sy orinasa nanome ny anjara birikiny ho fanohanana ity hetsika karakarain’ny Yali Chapter Madagascar. Mbola manao antso avo amin’ireo malala-tanana ihany anefa ny fikambanana ho fanatanterahana ny asa ho atao ny 16 febroary 2019. Anisany hangatahin’ny Yali Chapter Madagascar fanohanana ireo kojakoja amin’ny fanamboarana ny sary, ny fitaovana hanamboarana ny zaridaina, ny gouter ho zaraina ho an’ny ankizy, ny fitaovana handokoana ny sekoly ho an’ny mpandresy.
Mifantoka amin’ny fandraisana andraikitra ny tanjon’ny fikambanana Yali Chapter Madagascar. Nambaran’ny tomponandraikitry serasera ny Yali Chapter Madagascar, Mirado Rakotoharimalala fa tiana ho fantatra ny fijerin’ny ankizy any amin’ny ambaratonga fototra momba ny fifidianana. Amin’iny alalan’ity fifaninanana ity noho izany no hikarohana fiarahamiasa ahafahana manabe ireo ankizy dieny mbola kely ny tontolon’ny fifidianana sy mamolavola azy ireo sahady handray andraikitra sy ho liana amin’ny fiainam-pirenena.

Tsiahivina fa ireo tanora Malagasy nahazo vatsim-pianarana tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa ny governemanta amerikanina ho an’ny tanora afrikanina “young African leaders initiative” na YALI no mivondrona ao amin’ny Yali Chapter Madagascar. Fiofanana momba ny fahaiza-mitarika no nianaran’izy ireo tany ivelany. Ny taona 2018 no niforona ity fikambanana ity ary efa mahatratra 250 ny mpikambana ao aminy amin’izao fotoana izao. Miasa amin’ny sehatra maro toy ny fahaiza-mitantana sy fandraharahana, fahaiza-mitantana momba ny raharaham-panjakana, ny fanabeazana ny olom-pirenena ny fikambanana.

Lynda A.

Mirado

Herizo


One comment on “YALI CHAPTER MADAGASCAR: Mikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy

  1. Pingback: YALI CHAPTER MADAGASCAR: Mikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *