Sport

WORLD TRADE CENTER: Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny MIT 2017.


Ny  sabotsy 14 sy ny alahady  15 oktobra 2017 no hanatontosana ny Marathon International de Tana (MIT)  andiany faha-17.  Efa misokatra ny fisoratana anarana.  Afaka hanaovana izany avokoa na eny amin’ny biraon’ny VIMA Ankorondrano, ORTANA Antaninarenina, FMA Stade Alarobia. Nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center, Mercedes RATSIRAHONANA harotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny fikambanana AKAMASOA ny 20% ny vola azo avy amin’ny fisoratana anarana.

Nitombo avo roa heny ny loka tamin’ity andiany ity. Roa tapitrisa Ariary no atolotra ho an’ireo voalohany amin’ny lalao Marathon.  Mampiavaka ny MIT 2017 ny hazakazaka  Corporate, natokana ho an’ny orinasa te hanandratra ny  maha izy azy amin’ny halaviran-dalana 10 km. Tsy miova kosa ny lalao ho an’ny  ankizy sy fianakaviana (Maratoons), ny  foulées écolo izay misokatra ho an’ny daholobe.

Hanampy amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny  Federasiona Malagasy  misahana taranja hazakazaka,  ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny Ministeran’ny tontolo iainana, ekolojia sy ny ala, ny Ministeran’ny fizahan-tany ary ny Kaominina Antananarivo  Renivohitra.

Ankoatra ny fifaninana hazakazaka, hetsika maro toy  ara-koltoraly, sakafo… no handravaka ny MIT.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *