Socio-eco

WOMEN IN BUSINESS: Mifanome tanana ireo vehivavy mpandraharaha


Mitana ny laharana voalohany ny vehivavy afrikana raha amin’ny fandraharahana no resahana, araka ny tatitra farany. 24 % ny vehivavy afrikanina manana ny orinasany manokana raha 17 % izany any Amérique Latine. Tranga hita eto Madagasikara anefa lasa orinasa natao ho foto-pivelomana ihany ny an’ireo vehivavy mpandraharaha fa tsy mbola mankany amin’ny fisandratana, hoy minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa. Ho fampiroboroboana ny orinasan’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny antom-pisian’ny fikaonandoha women in business (WIB).

Nanomboka omaly 11 jona ary hifarana androany 12 jona 2019 eny Anosy ity fihaonambe ara- ekonomika, karakarain’ny GFEM, amin’ny alalan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto Antananarivo (FEA) ity. Tsy fihaonana fotsiny ihany ny WIB fa fifampizarana traikefa ho entina hampivoarana ny orinasan’ny tsirairay amin’ny sehatra isankarazany, hoy filohan’ny GFEM, Razakaboana Fanja.

150 ny mpandray anjara amin’ny WIB andiany faharoa, ao anatin’izany ireo mpikambana ao amin’ny GFEM sy ireo vehivavy mpandraharaha malagasy. Matihanina amin’ny fandraharahana syy fitantanana avy any ivelany sy eto an-toerana miisa 13 kosa no mandray anjara amin’ny famelabelaran-kevitra momba tontolon’ny fandraharahana ataon’ny vehivavy, ny fitadiavana lalambarotra, ny fampiasana ny teknolojia sy ny maro hafa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *