Socio-eco

WIFIBER: Hampivelatra ny asan’ireo mpandraharaha ao Sambava sy Antsiranana


Faritra manana ny lanjany ara-toekarena, kolontsaina sy arak’olona i Sambava sy Antsiranana. Ny famokarana voly fanondrana, toy ny lavanila sy ny voly jirofo, kafe no tena ahafantarana an’i Sambava. Mifototra amin’ny jono, indostria momba ny hazo kosa no seha-pihariana miodina ao Antsiranana. Ao amin’ity tanàn-dehibe ity ny serantsambon’i Madagasikara fahatelo. Namory ireo mpandraharaha ara-toekarena sy manam-pahefana tao Sambava, ny 24 novambra 2021 sy tao Antsiranana ny 26 Novambra 2021 ny tale jeneralin’ny Orange Madagasikara Frédéric Debord sy ny ekipan’ny Orange Madagascar. Nampahafantaran’ny orinasa tamin’izany ny Wifiber, internet haingam-pandeha ary tsy manam-petra. “Mihaino ny mpanjifa sy ireo mpiara-miombon’antoka  izahay ary eto izahay hamaly ny filàn’izy ireo. Ao anatin’ny fanatanterahana ny anjara asanay, amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izahay amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny foto-drafitr’asa ara-pifandraisan-davitra sy fanomezana fitaovana ho an’ny mpandraharaha sy ny mponina ilainy amin’ny lafiny fampandrosoana”, hoy i Frédéric Debord. Efa ahitana ny Wifiber  ihany koa Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Nosy Be ary Antsirabe. Marihina fa nanolotra fanamarinam-pahavitam-piofanana ho an’ireo vehivavy nanaraka fiofanana momba ny informatika tao amin’ny “maison digitale” Sambava sy Antsiranana ny Orange Solidarité de Madagascar tamin’io fotoana io. Programan’asa ny Orange Solidarité ho fampananan’asa ny vehivavy sy hahay hikirakira ny fitaovana nomerika ny “maison digitale”. 37 ny isan’ny ivon-toerana manerana ny faritra 23 amin’izao fotoana izao.

Ra-Nirina

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *