politique

VONDRONA PARLEMANTERA IRD SY GPR : « Efa miasa sy manan-kery ireo didy hitsivolana sivy… »


Miteraka fahasosorana eo amin’ny solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana ny tsy fandanian’ny antenimierandoholona ireo lalàna vitsivitsy nolaviny. « Efa lalàna manan-kery ireo lalàna sivy ireo satria vita sonian’ny Prezidàn’ny repoblika sy efa nojeren’ny HCC ireo didy hitsivolana ireo. Tsy ilana ny adi-hevitra hidirana any ifotony ireo lalàna ireo fa fankatoavana sisa no atao », hoy ny vondrona parlemanta IRD sy ny vondrona parlemanta GPR sy ireo solombavambahoaka manaraka azy ireo. Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 12 Martsa 2020 izy ireo nanehoany ny heviny amin’ny tsy fandanian’ny antenimierandoholona ireo lalàna vitsivitsy. Fomba vaovao ity fanaovana fankatoavana lalàna ity. Natao izao fankatoavana ireo lalàna sivy ireo mba hakana ny tena maha lalàna  feno azy. « Resaka politika no mahatonga ny antenimierandoholona tsy mandany ireo lalàna ireo. Mpanohitra raha teo ny ao amin’io andrim-panjakana  iray io. Sady rehefa naheno ny tenin’i Prezidà amin’ny hanafoanana io antenimierandoholona izy ireo dia lasa manao izao fanakanana ny fampandrosoana tian’ny Prezidà hatao izao », hoy izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *