Socio-eco

VONDRONA ERAOPEANINA SY FANJAKANA MALAGASY : Mifampatoky ny roa tonta


Mitohy ny fanampiana ataon’ny vondrona eraopeanina  ny fanjakana malagasy ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny toekarena. Midika izany fa misy ny fifampitokisana, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny vola. Vita sonia teo amin’ny roa tonta ny 29 Aogositra 2019 tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola ( MEF) Antaninarenina ny tetikasa roa dia ny AFAFI-CENTRE sy ny PADEIR. Mitentina 12.000.000 Euros ny tetikasa AFAFI-CENTRE ary 10.000.000 Euros ny tetikasa PADEIR. Ao anatin’ny FED andiany faha-11 ireo tetikasa ireo. Natao hampiroboroboana ny eny ambanivohitra ny AFAFI-CENTRE ka hifantoka fambolena mba hifanaraka amin’ny  fambolena miaro ny tontolo iainana (agro-écologie) sy ny fiompiana. Eo ihany koa ny amin’ny zo fototra ny fananantany eny ambanivohitra. Iarahan’ny MEF sy ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ( MAEP ), ny « Environnement  et Développement Durable » ( MEDD ), ny ministeran’ny fanajariana ny tany ( MATHTP ). Ny tetikasa PADEIR kosa dia natao ho fampandrosoana ny fanondranana ny entana mankany eraopa. Mazava ho azy fa hifantoka amin’ny  kalitaon’ireo vokatra vokarina izany. Eo ny fitadiavana vokatra ilain’ny tsena any eraopa. Tsy midika izany fa tsy nahomby ireo vokatra fanondratsika fa tsy maintsy mijery zavatra hafa ihany koa isika mba hampandroso ny toekaren’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny indostria.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *