Socio-eco

VONDROM-BEHIVAVY AO ALASORA: Mitondra fahasambarana ho an’ny mpiara-belona


Mpianatra 150 sy ray aman-drenin’ny mpianatra 150 ary mpampianatra am-polony ao amin’ny EPP Ambohimanga Alasora notoloran’ireo vehivavy malala-tanana ao amin’ny kaominina Alasora vatsy ny 29 septambra 2021. Fitaovam-pianarana miampy biscuit sy vatomamy ary akanjo no azon’ireo ankizy. “Macaroni”, fitoeran-drano (bidon), ary arovavaorona no nomena ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. “Panier garni” ahitana “macaroni”, menaka, sira, siramamy, arovavaorona ary “bidon” kosa ny an’ireo mpampianatra. Niampy valopy misy vola ny an’ireo mpampianatra FRAM miisa 2 sy ny mpiandry tanana (gardien). Ankoatra izany, mbola nanome taratasy fotsy, “cahier”, “stylos” sy ny maro hafa ho ampiasain’ny mpampianatra ihany koa ny fikambanana Porte Bonheur. “Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia tsapa fa tena sahirana ny ray aman-dreny. Tsapa ihany koa fa manana adidy sy andraikitra lehibe ny mpampianatra ka izay no nanosika anay fikambanana reny, mitondra ny anarana hoe Porte Bonheur”, hoy ny mpitarika ny fikambanana sady vadin’ny Ben’ny tanàna Alasora, Razaka Mireille. Nambarany fa  mahatsiaro manana adidy sy andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina ry zareo ka hitondra izay kely voatsirambin’ny tanana ho an’ny mpiara-belona, indrindra ireo vondron’olona sahirana. “Hitondra fahasambarana ny antom-pisianay, izay kely hanananay no entinay ho an’ny mpiara-belona”, hoy izy. Miara-mientana amin’ny fanampiana ny reny sy ny zaza ny foto-pisian’ity fikambanana ity. Hitety ireo EPP eo anivon’ny kaominina Alasora hitondra fanampiana. “EPP 3 no vita, nefa 12 ny EPP eto. Mbola miandry anay ny 9”, hoy Razaka Mireille.

Andraikitra tandrify

 Nangataka fanampiana avy amin’ny Ben’ny tanànan’Alasora ny talen-tsekolin’ny EPP Ambohimanga mba hijery akaiky ireo mpampianatra FRAM sy “gardien”. Raha ny fantatra dia 40.000 Ariary ny karaman’ny mpampianatra FRAM ary 30.000 Ariary ny an’ny “gardien”.  “Tsapantsika tsara ny lanjan’izany 40.000 Ariary izany nefa olombelona  manambady aman-janaka, manana jiro sy hofantrano aloha ary sakafo”, hoy ny vadin’ny Ben’ny tanàna. Nilaza Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanàna Alasora fa voaray ny fangatahan’izy ireo ary ho dinihana miaraka amin’ny mpanolontsainan’ny tanàna. Vaovao nambarany ihany koa ny fanamboarana ny EPP Alasora. “Manan-jara ny kaominina amin’ny fisian’ny mpiara-miombona antoka, fanampiana avy amin’ny fikambanam-behivavy vadina manam-boninahitra, manam-pahefana eto amin’ny kaominina, ireo mpiara-miombona handray an-tanana ny fanarenana ny EPP Alasora izay efa niorina tamin’ny 1902. Tsy nisy ny fikarakarana. Mahatsirao manana andraikitra ny kaominina hiara-hiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka”, hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *