Socio-eco

VOLY GERANIUM: Nahomby ny andrana natao rehefa nampiasa ny teknika agro-écologie


Fitaovana iray entina miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ny fiovaovan’ny toetrandro ary miaro ny harena voanjanahary kanefa  mampitombo ny vokatry ny fambolena ny “agro-écologie” na ny fambolena maharitra, araka ny andrana sy ny fikarohana maro nataon’ireo firenena mandroso. “Fitambarana teknikam-pambolena mahomby ny agro-écologie toy ny fampiasana voly rakotra, fampivadiamboly, fifampidimbiasamboly, ala vadimboly, zezika ranony, kompôsta sy ny maro hafa”, hoy Rakotondramanana, teknisiana momba ny fambolena maharitra sady tale mpanatanteraky ny GSDM. Ho an’ny faritr’i Vakinankaratra manokana dia efa maro ireo tantsaha mampiasa ity teknika ity noho ny fisian’ny tetikasa PAPAM, Manitatra I sy II ary ireo fikambanana miasa amin’ny sehatry ny fambolena. Tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM dia nikarakara atrikasa “interface recherche et développement” ny GSDM, matihanina amin’ny agro-écologie”, ny 16 sy ny 17 desambra 22020 lasa teo, tao Antsirabe. Ho fampifandraisana ireo mpikaroka, mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny tantsaha no tanjon’ity fivoriana ity. Nifampizara ny traikefany sy nampahafantatra ny voka-pikarohana nataony izy ireo.

Mitombo ny vokatra

Anisany nizara ny traikefa sy voka-pikarohana nataony ny “Coeur de Forêt” tamin’io fotoana io. Nanomboka tamin’ny taona 2017 dia nanao andrana tao Ibity ny fikambanana. Nisy ny andrana natao ka nampiasa ny teknika “agro-écologie” ry zareo tamin’ny voly “géranium”. Nampihatra ny fifampidimbiasamboly sy fampivadiamboly ny fikambanana tamin’ny saha fampiharana. Tsaramaso, voanjo, “tagète” no nampiarahana tamin’ny “géranium”. Tsara kokoa ny vokatra “géranium” rehefa  nampiarahana tamin’ny voly hafa. Lasa 294 grama isaky ny fototra raha toa ka 162 grama raha tsy misy voly hafa ampiarahana aminy. Raha ny fanandramana natao tamin’ny fampiasana ny ala vadimboly indray dia nambolena teny anelanelan’ny ny hazo toy ny filao, acacia, paoma, “théphrosia” ny “géranium”. Ny fampiarahana ny “géranium” tamin’ny filao ohatra dia nanome vokatra ambonimbony kokoa. Raha ny salan’isa dia 759 grama isaky ny fototra ny “geranium” azo, izany hoe nitombo avo telo heny. Araka ny fanazavan’i Maxime de Saint Roman, tomponandraikitra misahana ny andrana momba ny fambolena ao amin’ny Coeur de Fôret fa  hanatsarana hatrany vokatra dia nampiasa zezika manatsara ny tany ihany koa ny fikambanana toy ny kompôsta, kompôsta ranony, zezika avy amin’ny tain-dramanavy…Tsapa hoy izy fa nisy fiantraikany tsara tamin’ny vokatra ny fampiasana ireo zezika ireo. Tsy ny voly vary, voly legioma, voly fanondrana ihany no azo ampiasana ny fomba fambolena maharitra fa eo ihany koa ny fambolena zava-maniry fangalàna lohamenaka sy fatao fanafody.

Lynda A.


One comment on “VOLY GERANIUM: Nahomby ny andrana natao rehefa nampiasa ny teknika agro-écologie

  1. Pingback: VOLY GERANIUM: Nahomby ny andrana natao rehefa nampiasa ny teknika agro-écologie - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *