Socio-eco

VOLY FIRST IMMO : Ho atao sakafon’ny mpianatra ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana natao tao an-tsekoly


Fanatsarana ny voka-panadinana sy ny fisorohana ny fitsoahana an-daharana any an-tsekoly. Afaka misitraka sahady ny vokatry ny voly legioma sy voankazo tao an-tokontanin-tsekoly ireo mpianatry ny EPP Ankadinandriana. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Voly First Immo izay tantanin’ny Fondation Axian ary iarahany miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no nahafahan’izy ireo nisitraka izany. Ny EPP Ankadinandriana no toerana voalohany nisy Voly First Immo notokanana tamin’ny fomba ofisialy. Ny 10 desambra 2020 teo no nanatanterahana izany. Nosafidiana manokana ireo legioma sy voankazo (katsaka, petsay, anamamy, ovy, managahazo, papay, haricots verts, épinard, courgettes, radis…) novolena mba ho maroloko ny sakafo hohanin’ny ankizy. Misy ampahany amin’ireo vokatra hanampiana ny sakafo ho an’ny cantine ao am-pianarana ary ho fiantohana ny sakafo atoandron’ireo ankizy farafahakeliny indray mandeha isan-kerinandro. Mpianatra 380 no hahazo tombontsoa amin’izany. Noho izany, hihena ny fitsoahana an-daharana any an-tsekoly ary hihatsara ny fahazotoana.

Fiompiana akoho

Ao anatin’ny dimy taona ny faharetan’ny tetikasa Voly First Immo. Ankoatra ny voly atao eny an-tokontanin-tsekoly dia hahazo tohana amin’ny fiompiana akoho ihany koa ireo EPP 11 misitraka ny tetikasa. Efa manomboka ny fanamboarana ny tranon’akoho ho an’ny  EPP Ankadinandriana. Afaka herinandro vitsy dia akoho mpanatody lava 50 isa no hamatsy atody ho  ampiasaina amin’ny cantine. Raha ny vinavina dia mety hanatody hatrany amin’ny 40 isa ireto akoho ireto. Amin’ity taona 2020 ity, mpianatra 6.500  no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa Voly First Immo. 750 kilao isaky ny zaridaina kosa ny legioma sy voankazo ho vokatra isam-bolana.

Nirina R.


One comment on “VOLY FIRST IMMO : Ho atao sakafon’ny mpianatra ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana natao tao an-tsekoly

  1. Pingback: VOLY FIRST IMMO : Ho atao sakafon’ny mpianatra ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana natao tao an-tsekoly - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *