Socio-eco

VISION MADAGASCAR: Mampandroso ny firenena Malagasy ny fisokafana amin’izao tontolo izao.


Araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Malagasy, misokatra amin’ny firenena manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara. Tanjona amin’izany ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Mbola nohamafisiny ny Filoha,  Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany izany nandritra ny lanonana fankalazana ny faha-57 ny fahaleovantena Malagasy,  natao teny Iavoloha.

Mitovy fomba fijery amin’ny Filoham-pirenena ny mpandraharaha sady Filoha Tale Jeneralin’ny VIMA, Zouzar BOUKA. Nambaran’ity farany fa fomba iray ahafahana ny mampandroso an’i Madagasikara  ny fisokafana amin’ireo mpamatsy vola avy amin’ny  vazan-tany efatra.

Anisany nanatrika ny  lanonana fankalazana  ny  fetim-pirenena ity tomponandraikitra  voalohany ny orinasa  « Vision Madagascar » ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *