Socio-eco

VIMA: Manampy tosika ireo tanora amin’ny fanomezana asa.


Dingana sarotra indrindra ho an’ny  mpianatra nahavita ny  ambaratonga ambony ny fitadiavana asa. Isan-taona, mikarakara hetsika momban’ny orinasa ny ISCAM ho fanampiana ireo mpianatra ao aminy. “Tanjony ny hetsika ny fanamorana ny fitadiavana ireo orinasa hanaovan’ny mpianatra fianarana asa na fikarohana ny asa mifanaraka amin’ny diplaoma hananany”. Orinasa marobe no nandray anjara tamin’ity andiany voalohany amin’ny ity taona 2017 ity.

Nandray anjara tamin’izany ny VIMA na Vision Madagascar.  Amin’ny mpanohana  ny hetsika nokarakarain’ny l’Institut Supérieur de la Communication des Affaires et du Management, nanana tolotra maro azo isafidianana no ny mpitsidika tsara ny orinasa. « Efa hatramin’izany ny VIMA no nanakaiky ity ivom-pampianarana ity noho ny fitovian’ny tanjona tiana tratrarina dia ny fanampiana ny tanora Malagasy hisandratra ». Araka ny fanazavana, efa nanohana ireo andiana mpianatra,  KINTANA  sy MISANDRATRA,  nivoaka ny taona 2015 sy 2016 ny orinasa.

Marihina fa teny amin’ny CASC PK0 Soarano no nanatanterahana ny hetsika ho an’ny orinasa, andiany voalohany ho an’ny taona 2017.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *