Socio-eco

VIMA: Hanamboatra ivon-toerana hampiofanana arak’asa.


Ankoatra ny fiarahamiasa ny orinasa  amin’ny Masoivoho ny  Afrika Atsimo miasa eto Madagasikara, resy lahatra amin’ny tolona nataon’ny Nelson Mandela ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vision Madagascar (VIMA), Zouzar BOUKA. Nambarany fa nitolona ho an’ny fahafahana, niady tamin’ny fanavakavaham-bolo-koditra  ity olomanga ity. Ho  famelomana hatrany ny tolona nataony,  anisany nanatrika ny fankalazana ny andro natokana ho an’ny Nelson Mandela ny tenany, ny 18 jolay 2017.

Anterivava : Zouzar BOUKA

Mandray anjara amin’ny fanaparitahana ny nomerika ho an’ny daholobe. Amin’ny maha orinasa miantsehatra amin’ny  fanamboarana foto-drafitr’asa ny VIMA, handray an-tanana ny fananganana ny ivon-toerana iray hanofanana momba ny “téléopérateur” na “call center” ity farany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny  fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madagasikara, amin’ny alalann’y Ministeran’ny paositra, ny fifandraisan-davitra ity tetikasa ity fa indrindra ho fanampiana  tanora amin’ny fampanan’asa.

Ny orinasa Orange no hanampy amin’ny fanofanana ireo mpampiofana. Vokatry ny fiarahamiasa eo amin’ny Oniversite Mahajanga, olona dimy no hampiofanina ka izy ireo indray no ampita ny fahaizana amin’ny tanora.

Nirina R.

 

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *