Nanana fotoana nihaonana tamin’ireo mpandraharaha tsy miankina ara-ekonomika sinoa ireo delegasiona Malagasy niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Noho ny fihaonana andiany faha-16 ny Forum BOAO an’i Asia (FBA), nifanakalo hevitra ny roa tonta. Nanatrika izany ihany koa ny Masoivohon’i Madagasikara miasa an’i Chine sy ny “China – Africa Chamber of Commerce of Wenzhou”.Entina hampivoarana ny toekarena ny firenena Malagasy sy sinoa no tanjona eto.
Tao anatin’ny ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny fanjakana Malagasy tany Chine momban’ny fankalazana ny faha-45 fifandraisana ara-diplomatika an’i Madagasikara sy Chine no nanaovana izany.
Anisan’ireo delegasiona Malagasy ny orinasa VIMA ( Vision Madagascar) izay ny PCA ny ViMa Woods, Koureich FIDAHOUSSEN sy ny DG ny ViMa Serv’no solontenan’ny orinasa tamin’izany. Isaky misy fihaonana tahaka izao, tsy mitsahatra mitady ny fomba hanatanterahana ny vinany ny VIMA dia ny fitadiavana lalana ahafahan’i Madagasikara mahazo famatsiam-bola mivantana na IDE satria heverin’ny orinasa fa anisany fanoitra ho an’ny fampandrosoana izany.
Nirina R.