Socio-eco

VILLAGE ORANGE: Miompana fahasalaman’ny reny sy ny zaza ireo toeram-pitsaboana


Foto-drafitrasa ilain’ny mponina. Notanterahina ny 19 jona 2020 ny fanokanana ny village Orange eny Antanety Anosiala. Noho ny dingana nataon’ny  fikambanana  Lutte de la Jeunesse pour les Droits Humains- Tanora Miady ho an’ny Zon’olombelona ( LUJDH TAM ZO ) sy ny fanampiana nataon’ny fikambanana Orange Solidarité eto Madagasikara no nahavitana ity village Orange faha-26 ity. Fandaharan’asa  momba ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny vahoaka Malagasy ny “village Orange”  ary manampy amin’ny ampahany na iray manontolo ny fanamboarana foto-drafitr’asa fototra amin’ireo toerana “lavitra andriana” manerana ny Nosy.  Tanjona amin’izany ny  ahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio, fitsaboana sy fanabeazana.

Reny sy ny zaza

Manohy ny asany amin’ny lafin’ny fahasalaman’ny  reny sy ny zaza ny Orange Solidarité amin’ny alalan’ity fanamboarana “village” ity. Toeram-pitsaboana fototra (CSBII ) iray, izay misy efitra efatra, indray no namboarina sy nahazo fampitaovana tao Antanety Anosiala.  Nanomboka tamin’ny taona 2019 dia niompana tamin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ireo toeram-pitsaboana ao amin’ny village Orange. Ankoatra izany, manampy ireo mpianatra an-jatony hianatra ao anaty sekoly mendrika ity village Orange eny Antanety Anosialy ity. Nohavaozina  tanteraka ny EPP. Tsy adino ihany koa fa lava-drano efatra no namboarina mba ahafahan’ireo mponina misitraka rano fisotro madio. “Voalohany no nanamboatra foto-drafitr’asa,  ao anatin’ny sekoly, lavan-drano mba hisitrahana rano fisotro madio ary toeram-pitsaboana ho an’ny reny sy ny zaza”, hoy Degland Michel, Tale jeneralin’ny Orange Madagasikara.

Nirina R.


One comment on “VILLAGE ORANGE: Miompana fahasalaman’ny reny sy ny zaza ireo toeram-pitsaboana

  1. Pingback: VILLAGE ORANGE: Miompana fahasalaman’ny reny sy ny zaza ireo toeram-pitsaboana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *