« Tsy mandoa hetra ». Nanatrika ny fivoriana momba ny fizarana ny tetikasa « 50 millions des femmes africaines ont la parole » na 50MFAP niaraka tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ny solentanan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Ranomasimbe Indiana (EFOI) ny 27 janoary 2021 teny Ambohijatovo. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fametrahana ny fampitovian-jo ny lehilahy sy ny vehivavy eo anivon’ny ministeran’ny mponina, Razafintsalama Tsiry Nomena Nantenaina fa vovonam-pifandraisana an-tranokala natsangan’ny Comesa sy ny CEDAO ary ny AEC tamin’ny 2016 ny tetikasa « 50 millions des femmes africaines ont la parole ». Tamin’ny volana oktobra 2020 kosa ny fanapariahana izany teto Madagasikara. « Tetikasa mifototra amin’ny fanosehana sy fampiakarana ny lentan’ny vehivavy mpandraharaha hiditra amin’ny ambonimbony kokoa izany hoe eo anivon’ny iraisam-pirenena izy ity. Manampy azy ireo hanaraka ny fenitra amin’ny famokarana ataony, na ny orinasa atsangany », hoy izy. Nambarany fa hanome traikefa ho an’ny vehivavy mila traikefa ary manome sehatra ho an’ny fikambanana mampivondrona ny vehivavy mpandraharaha ihany koa ity « plateforme de réseautage en ligne » ity. “Zava-dehibe ho anay izao fivoriana izao satria antony nahatonga tenako hamonjy ny fivoriana dia hijery ny tokony hanatanterahana azy, mahatsapa izahay fa tomponandrakitra voalohany amin’ny fanatanterahana azy satria resaka autonomisation des femmes sy renforcement de capacités no tena ao anatiny izay tena andraikitry ny EFOI”, hoy Rakotondrainivony Emilie, filohan’ny EFOI Madagasikara.
Tombontsoa goavana
Araka ny fanazavan-dRamatoa Razafintsalama Tsiry Nomena Nantenaina fa malalaka ny fidirana amin’ny Vovonam-pifandraisana an-tranokala. “Tsy misy ny mason-tsivana manokana fa ny takiana dia ny fanarahana ny fenitra amin’ny fanokafana ny orinasa, fanarahana fenitra ny vokatra vokarina”. Nohamafisiny fa tombony lehibe amin’ny fampiasana ny 50MFAP ny fanovozana traikefa, ny fahitana lalam-bola, ny fahazoana traikefa amin’ireo firenena hafa matihanina amin’ny fandraharahana ary ny fahafahana mifandray amin’ireo vehivavy mpandraharaha amin’ny firenena 38 eto amin’ny kontinanta Afrika, ao anatin’ny faritry ny Comesa. Nilaza ihany koa izy fa “rehefa mifamezivezy ny vokatra dia tsy mandoa hetra na taxe na impots. Ao anatin’ny zone Comesa dia malalaka ny fifamezivezen’ny entana, ny vokatra”. Fikambanan’ny vehivavy niforona voalohany teto Madagasikara ny EFOI ary manana mpikambana 500. Mitantana ny vehivavy mpandraharaha ho tena matihanina, hahita lalam-barotra, ahafantatra ny lalana tokony atao, hiaro azy ireo amin’ny sakantsakana rehetra no tena ataon’ny EFOI. Nambaran’ny filoha lefitry ny fikambanana, Andrianavalona Railovy fa “anisany antom-pisianay ny manampy ireo vehivavy te handraharaha nefa mbola tsy matihanina, ny tanjona dia anisany hisitraka an’io plateforme io izy ireo”.
Lynda A.