Socio-eco

Vehivavy mandray andraikitra: Omena traikefa sy fahalalana


Ny fampandrosoana lovain-jafy, miankina amin’ny toe-karena, ny tontolo iainana ary eo amin’ny lafiny sosialy. Hisy ny fanentanana sy fampihofanana ny vehivavy amin’ny faritra 22 ho fampandraisana andraikitra azy ireo amin’ny fampandrosoana. Loha-hevitra dimy no hitondrana ny fampiofanana sy fanazavana amin’ireo vehivavy, ny fiovan’ny toe-trandro, ny fiahiana ara-tsakafo ho fampandrosoana lovain-jafy, ny fambolena manara-penitra mifanaraka amin’ny toe-trandro ary ny fandraharahana amin’ny sehatry ny fambolena, hoy ny filoha nasionaly ny vovonana «Plateforme Nationale Femmes, Développement Durable et Sécurité Alimentaire» PNFDDSA, Noasilalaonomenjanahary Ambinintsoa. Hisy ny atrikasa sy fampiofanana atao mikasika ireo loha-hevitra dimy ireo ka atomboka eto Antananarivo izany avy eo tetezina ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara. Vehivavy 50 isaky ny faritra kosa no ahazo izany. Vehivavy mpitarika fikambanana sy manana fahaizana mitarika izy ireo ka afaka hampianatra ny vehivavy namany rehefa vita ny fampiofanana. Vatsian’ny BAD vola ny tetikasa izay tanterahan’ny COI. Marihana fa miahy vovonana 4 ny COI ao anatin’ity tetikasa ity, EFOI (Entreprendre aux Féminin dans l’Océan Indien à Madagascar) momban’ny fandraharahana amin’ny sehatry ny fambolena, PNFDDSA momban’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny fiahiana ara-tsakafo, ady amin’ny herisetra (lutte contre la violence) ary ny vehivavy manao politika ( Femme politique ).
Nanatanteraka ny fivoriana tetsy Antanimena ny ao amin’ny EFOI sy ny PNFDDSA nandrafetana ny « plan de communication » tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.

Nirina R.

Filoha lefitry ny EFOI

Filoha nasionalin'ny PNFDDSA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *