Socio-eco

VAZAHA “MITENY GASY”: Fampiharana ihany no hahaizana ny teny


Teratany vahiny i Hansen Payton kanefa mahafehy ny teny Malagasy. Mahay manoratra amin’ny teny gasy ihany koa izy. Hasina no fiantsoana azy satria mitovitovy fanononana ny anarany Hansen izany.
Nisy fotoana ity tovolahy ity nanao asa soa teto Madagasikara. Tamin’izay fotoana izay no nanararaotany nianatra ny teny Malagasy. Ny lalam-piofanana noratoviny rahateo momba ny kolontsaina sy ny teny. Tia mandalina ny teny vahiny. Tsy nianatra tany an-dakilasy izy fa ny fiarahany sy ny firesahany tamin’ny Malagasy no nahaizany niteny gasy. “Niaraka tamin’ny vondron’olona isan-karazany ny tenako. Izay no nahafahako nahay niteny gasy”, hoy i Hasina.
Miasa amin’ny orinasa Smartone, mamokatra solosaina eto Madagasikara i Hasina amin’izao fotoana izao. Nambarany fa tsy voafetra ny fipetrahany eto an-toerana. Nanamafy ity “vazaha miteny gasy” ity fa ny fampiharana ny teny ihany no hahaizana ny teny. Ankoatra izany, raha teny hitia ny kolontsaina, mila mitia ny teniny aloha. “Sarin’ny Kolontsaina iray ny teny. Rehefa tia ny teny ianao, mandeha ho azy ny fitiavana ny kolontsaina”, hoy hatrany izy nandritra ny resaka nataonay mpanao gazety taminy ny sabotsy 14 aprily 2018 lasa teo.
Io politikan’ny teny io no olana eto Madagasikara, sanatria to any vazaha indray no liana sy mampihatra ny teny Malagasy. Tena fanapahan-kevitra politika tsy maintsy iainana izany… ary politika tokony “hanandratra” firenena.
Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *