politique

VANIM-POTOANAN’NY FAMPIELEZAN-KEVITRA : Hitsikilo ny mpiasam-panjakana ny DFP


Manomboka amin’ny fisokafan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra amin’ny 8 oktobra 2018 dia hitety isaky ny distrika ny Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP). Hitsikilo, haka sary ireo manam-pahefana manao propagandy na ireo fitaovam-panjakana ampiasaina hanaovana propagandy toy ny fiara ny mpikatroka ao amin’ny DFP. Efa manomana ny paikady hanatanterahana izany ny vovonana amin’izao fotoana izao.
Nandray anjara tamin’ny raharaham-pirenena foana ny vovonana DFP (Dinika ho an’ny Fanavotam-Pirenena) nandritra fitondrana nentin’i Hery Rajaonarimampianina. Ankehitriny, hiroso amin’ny fifidianana filohampirenena vaovao ny firenena Malagasy ny 7 novambra 2018 ho avy izao. Efa neken’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa hanaramaso ireo manana fahefam-panjakana manomboka any amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta ka hatrany amin’ny delegem-panjakana mampandany kandida ny DFP. Nohamafisin’ny mpandrindra nasionalin’ny DFP, Maharavo Ratolonjanahary na Doudou fa voasazin’ny lalàna ny mampiasa fahefam-panjakana na fitaovam-panjakana hampandaniana kandida amin’ny fifidianana. Sazy an-tranomaizina roa ka hatramin’ny enim-bola miampy lamandy roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa Ariary izay tratra manao izany. Mety hiafara amin’ny fanafoana ny vato azon’ny kandida amin’ny toerana nanaovana ny fandikan-dalana ihany izany, araka ny fanazavan’i Doudou.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *