Socio-eco

VADIN’NY BEN’NY TANANA ALASORA SY IREO RENY MALALA-TANANA: Nanao asa sosialy teny amin’ny EPP Mahitsy Alasora


Noho ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy, nizara vatsy ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ireo mpampianatra  ao amin’ny EPP Mahitsy Alasora ny vadin’ny Ben’ny tanàna Alasora, Razaka Mireille sy ireo reny malala-tanana ary ny fikambanana “reny sy ny zaza” na “association mère et enfant”.  Ny 25 jona 2021 izy ireo no nifampitaona teny amin’ny sekoly. Nanolotra akanjo, rano, vatomamy sy biscuit ho an’ireo mpianatra miisa 160 ny  “association mère et enfant”. Paty, menaka, sira, siramamy, vatomamy sy biscuit ary arovavaorona  kosa no nomen’ny vadin’ny Ben’ny tanàna sy ireo reny malala-tanana ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpampianatra ary ireo ankizy tonga teny an-toerana na dia tsy mpianatra ao amin’ny EPP aza. Raha atambatra dia 350 teo ny isan’ny olona nozaraina vatsy tamin’io fotoana io. “ Mahatsiaro ho manana adidy izahay amin’izao  ankatoky  ny  fety izao. Noho ny fandalovan’ny valanaretina covid-19 dia tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Tena sahirana noho izany ny  ety anivon’ny sekoly  dia niara-nientana tamin’ireo vehivavy teto  Alasora ny tenako nitondra ny anjara birikinay androany”. Isaorana ny association mère et enfant nanolon-tanana hatrany », hoy ny vadin’ny Ben’ny tanàna Alasora. Nambarany fa fanombohana ihany izao fa ny “manetsa be mbola ho avy”.

Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *