Socio-eco

Tsy milamina ny fiatohana MAMA : Vonona hanampy ireo narirarira hatramin’izay ny mpanao fitaterana


Manoloana ny zava-misy eo amin’ny MAMA sy ireo savorovoro maro samihafa dia nanao fanambarana ihany ireo fiombonamben’ny mpitatitra olona sy mpitatitra entana, mpikambana fototra eo anivon’ny trano fiantoana MAMA.

Miezaka manamari-tena ny eo anivon’ny trano fiantona MAMA, amin’ny hoe ara-dalàna ireo filankevim-pitantanana, ara-dalàna ny fifidianana izay notanterahina tany Nosy-be ny volana Oktobra 2018 lasa teo. Tapakevitra ireo mpitatitra tompon’ny MAMA amin’izao fotoana izao fa hanao antso avo mandritry ny iray volana hiantsona ireo rehetra vonona hiady, izay mahatsapa fa nandoa vola ara-dalàna.

Ho an’ireo manana taratasy ara-dalàna nefa narirarira na tsy naloa ny vola, na nodiana fanina, vonona izy ireo hitondra izany. Fa ity ady izay hataon’ny MAMA ity dia tsy ady ho an’ny mpitatitra irery intsony fa amin’ny rehetra izay voakasika sy tsy nisitraka ny zony.

Nanamafy ihany koa izy ireo fa tsy misy mpikambana ao amin’ny ASTRAM izy ireo. Tsy nanendry na nifidy ny filoha ny ASTRAM sy tsy nakàna hevitra akory. Tsy mahasolo tena azy ireo na io fikambanana io na ny filohany.

Tsy manaiky ny hampiasan’io fikambanana io na ny filoha ny anarana mpitatitra hitadiavana toerana na tombotsoa ho an’ny tenany manokana ny eo anivon’ny ministera na ireo ratsamangaika samihafa miandraikitra ny fitaterana.

Miora Razafindramanitra

RAHARINIRINA Clémence, mpitondra tenin'ireo mpanao fitaterana

RAHARINIRINA Clémence, mpitondra tenin’ireo mpanao fitaterana


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *