Edito

TSY MAINTSY HIOVA NY GOVERNEMANTA : HO VOATAZONA HATRANY IREO TSY NAHOMBY


Mbola ho ela vao fantatry ny mpihazakazaka fa resaka tombotsoa sy akamakama fotsiny no mahatonga ny mpihogahoga manodidina azy hanao ny fanasohasoana. Raha amin’izao fotoana farany izao moa no misintanka sy tsy mety hibaby ireto akamany marobe ireto indray ny mpihazakazaka dia inona no hitranga ? Tsy maintsy ho fifanosora-potaka sy fifanesoana indray no mameno ny resaka. Ny mpisandosandoka sy ny mpanera dia efa nadio ny rano nitany fa tsy hohita intsony izy. Efa ampolo taonany maro no tsapa teto amin’ity firenena ity fa tsy ny toerana sy ny andraikitra mihitsy no mitady ny olona mendrika azy, fa ny olona no mifanosika hiady ny toerana tsy hay sy tsy fantany akory. Sanatria toy ny lalitra mahita maloto !

Misy departemanta maromaro tena ahitana saritaka eto amintsika eto. Misy ministera maromaro tsy nahitàna vokatra firy ihany koa… saingy ireo rehetra ireo dia tsy hihetsika eo amin’ny toerany satria mafy orina ny fisolelahana sy ny fifandokafana isan-tokony ; tsy mety hifanintsy amin’ny fiainam-bahoaka ankapobeny mihitsy ny zavatra entin’ny fanovàna na koa ny fanatsarana ataon’ny mpitondra fanjakana…very eny antenantenany ny fifampitokisana.

Tsy ny hilaminan’ny tontolo politika eto amintsika velively no tena tadiavin’ireo mpanao politika mpitondra eto amintsika ankehitriny fa ny fihazonana izao krizy izao mba ahafahana mijanona maharitra amin’ny fitondrana. Tsy ny fifidianana ihany koa no mahamay sy mahadodona ny rehetra (na dia miroso ho amin’izany aza isika), fa ny fikatsahana sy ny fahazahoana ilay vola fanampiana any amin’ireo sehatra iraisam-pirenena. Tsy maintsy hovaina indray ilay governemanta mba hisian’ny fanampenana maso ny eto an-toerana, ary handriana ilika amin’ireo sehatra iraisam-pirenena. Io fanovaovana ny ekipa mitondra io dia ezaka tiana mba hanamporofoina fa misy ny fiarahan’ny fijery samy hafa  ao anatin’ilay fanjakana. Fitaka izany ny fanovàna governemanta e! Izany ve tsy efa mahazatra antsika e!
Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *