Socio-eco

Tsiaro ho an’i Nanah : 10 MEY 2015 – 10 MEY2017


18 taona sy tapany ihany no mba niainany noho ny hetraketraky ny tany
Tsy mahakivy na mampalahelo anefa izany
Fa izy mbola miriaria sy mahita antsika eny hatrany
Ary ny fanahiny mbola miaina foana tsy misy fiafara

 

Raha tsy mino sy mivavaka aloha tsy ahatoky an’izany
Nefa raha tsy misy Andriamanitra sy ny fanahiny
Io fiainana io hanjakan’ny fahoriana sy ny tomany
Tsy hisy fanantenana fa dia hiferinaina hatrany

 

Ny porofo fa misy ny fanahy masina
Dia jereo ireny doany sy ny mpanasina
Izay manambara fa misy ny hery miafina
Ifanandrinan’ny olon-dratsy sy ny olo-marina

 

Araraoty ny fotoana iainana hanaovan-tsoa
Fa mandalo ihany izy io ary mora lo
Ny Andriamanitra mahery efa nanalalana sy nampianatra
Ny teny fiainana  ho filamatra

 

Roa taona aty aoriana

Mbola mafana ny fitadidiana

Fa na rahoviana na rahoviana

Tsy ho afaka ao am-ponay indry ry Tiana

 

Mitandrema ry tanora zandry zanaka

Fa feno jiolahy ny tanàna indrisy mibanaka

Tsy ampoizina intsony iza no namana iza no tsy namana

Samia mailo sy mitandrina eny am-pandehanana

 

Hatraka ny loha fa mbola be ny adidy

Tsy mora ny miady fa izay no safidy

Handrodanana ny geja sy mangidy

Hitandrovana ny aina sarobidy

 

Tsy maintsy mbola hihaona indray andro any

Fa fandalovana daholo ny eto ambony tany

Lasa aloha loatra indry na izany na tsy izany

Mandria ampiadanana izany zanako izany…

 

Tiana RABARISON 7 MIANAKA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *