Socio-eco

TSENAN’ IVATO: Tsy maintsy vita


Ao anatin’ny telo volana no hanamboarana ny tsenan’ny kaominina Ivato. Hahazaka mpivarotra 2000 ny tsena rehefa vita raha toa ka 1500 ny isan’ny mpivarotra amin’izao fotoana izao. Na dia nisy aza ny fanakorontanana nandritra ny lanonana saika hametrahana ny vato fototra, tsy maintsy miroso amin’ny fanamboarana azy ny kaominina. Nambaran’ny ben’ny tanàna, Penjy Randrianarisoa fa tsy hisakana ny kaominina an’Ivato hiroso amin’ny fanamboarana ny tsena ny fanakorontanana nitranga tamin’ny zoma 1 jona 2018 lasa teo. Na dia tsy vita aza ny fametrahana ny vato noho ny sakana nataon’ireo mpivarotra tsy manaiky ny hanamboarana ny tsena, tsy sakana amin’ny famitana azy izany. “Tsy azo sakanana ny fampandrosoana”, hoy ny praiminisitra Solondrasana Olivier Mahafaly, nanatrika ny lanonana saika hametrahana ny vato fototra.

Tahotra

Mahatonga ny mpivarotra sasany manakana ny fanamboarana ny tsena ny tahotra tsy hahazo tsena intsony rehefa vita. “Misy amin’izy ireo no manana tsena enina na fito. Matahotra sao tsy tafaverina intsony izany rehefa vita ny tsena. Ambarako fa raha manana 3 na 4 ny mpivarotra iray, miverina aminy ihany izany”, hoy hatrany ben’ny tanàna. Efa misy ny toerana hamindrana ireo mpivarotra mandritra ny asa fanamboarana. Mihisaka tsikelikely izy ireo arakaraka ny asa.

Malailay fonosona

Betsaka ny kaominina eto Madagasikara no mitaraina fa tsy manana foto-drafitr’asa. Tahaka ny kaominina, Tanamary, ao amin’ny distrikan’ny Beroroha, tsy manana na dia foto-drafitr’asa iray aza ny kaominina. Fahagagana ho an’ny kaominina Ivato ny fanamboarana ny tsena. Anisany tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenana io tsena io. Tsena tsara indrindra ao anatin’ny faritra Analamanga ity tsena ity rehefa vita. Vola mitentina 2 miliara sy 500 tapitrisa Ariary no ampisaina amin’izany. Ireo mpivarotra sasantsasany hanamboarana tsena ao amin’ny kaominina Ivato indray no manakana ny fanamboarana. Tsy hita be ihany ity fiainana ity fa mimenomenona rehefa tsy misy asa vita, manakana indray rehefa hanorina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *