Socio-eco

TSENABEN’NY BOKY: Voalohany no nisy minisitera nanohana


Trano heva 19 mivarotra boky isan-karazany amin’ny vidiny taka-bahoaka no hita mandritra ny enina andro eny amin’ny tsenaben’ny boky. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo boky natao ho an’ny fianarana, ny fahasalamana, ny ankizy, ny sakafo, ny ara-panahy sy ny maro hafa. Nanomboka androany 29 aprily 2019 izany ary tsy hifarana raha tsy ny 4 mey 2019 eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Nanatrika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana sy ny mpiara-miasa aminy. Andiany faha-15 ity tsenaben’ny boky karakarain’ny fikambanana mpanonta boky eto Madagasikara (A.Edi.M) ity fa voalohany kosa ny ministera no nandray anjara feno tamin’ny fanohanana ny hetsika. Nambaran’ny minisitra fa ao anatin’ny politika vaovao momba ny boky sy ny vaky boky an’ny minisitera ny hoe: boky manatona ny olona ka izany indrindra no hanohanan’ny minisitera ny hetsika tahaka izao. Resy lahatra ihany koa ny minisitera fa loharano tsy mety ritra hikoloana ny saina sy hampivelarana ny maha olana,hoy izy nandritra ny lahateny nataony.

“Sokafy ny saina, ialao ny hala-tahaka”. Io no lohahehitra noraisina tamin’ity andiany ity. Ho famporisihana ny olona hamorona no tanjona fa tsy hanao hosoka ny asan-tanan’ny hafa, hoy ny filohan’ny A.Edi.M, Pasitera Lahivelo Jean Donné. Nambarany ihany koa lafo ny akora ampiasaina amin’ny fanontana boky ka anisany olana sedrain’ny trano mpanonta boky izany. Nanamafy ramatoa minisitra fa ao anatin’ny paikadin’ny minisitera ny fanampiana ny mpisehatra amin’ny boky sy ny vaky boky mba ho tanteraka ny fanamby ny “boky no manatona ny olona”. Rehefa miverina indray ny fitiavana mamaky boky dia miroborobo ny rojom-pihariana amin’ny boky no afaka mikolo ny sainy sy mampivelatra ny maha olona azy ny olom-pirenena.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *