Socio-eco

Trano vaovao an’ny CNTEMAD: Namboarina tamin’ny alalan’ny volany manokana


Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina 19 jolay 2018 ny trano vaovao an’ny ivon-toeram-pampianarana fampitain-davitra CNTEMAD. Natao hanampiana ireo efitrano fanaovana « regroupement » ity foto-drafitr’asa vaovao eny Ambatomitsangana ity. Ahitana efitrano manodidina ny folo sy rihana telo izy ity. Anisan’ny tsangam-bato nanamarika ny faha-25 nisiany ihany koa ny trano vaovao. Manoloana izany, “nampitondraina ny anaran’ireo tale jeneraly nifandimby izay efa nodimandry ny anaran’ireo efitrano fianarana”, araka ny fanazavan’ny tale jeneraly sady filoha nasionaly ny CNTEMAD, Djohary Andrianambinina nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny lanonam-panokanana ny trano vaovao. Nomarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao fa vola manokan’ny CNTEMAD no nanaovana ny foto-drafitr’asa.

Mora mahita asa

Vina manaraka ho tontosain’ny fampianarana ambaratonga ambony fampitain-davitra CNTEMAD ny fampitaovana ny trano ho lasa oniversite nomerika. Eo ihany koa ny fanamboarna foto-drafitr’asa ho an’ny biraon’ny CNTEMAD any amin’ny faritra. Nambaran’ny tale jeneraly hatrany fa efa 44 ny biraon’ny CNTEMAD miparitaka any amin’ny distrika. Ezahina ho aparitaka manerana ny distrika 119 izany, hoy ny Ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Monique Rasoazananera .
Efa 17.000 ny isan’ny mpianatra manaraka ny fianarana fampitain-davitra miankina amin’ny fanjakana. 10.000 amin’ireo no avy eto Antananarivo. Noho ny fahamaroan’ny mpianatra vao afaka bakalorea kanefa tsy tafiditra eny amin’ny oniversitem-panjakana no nananganana ny CNTEMAD. Izany no mahatonga azy tsy misy “selection de dossier” fa izay mpianatra manana diplaoma bakalorea no miakatra dia tafiditra ho mpianatra ao avokoa. Nambaran’i Djohary Andrianambinina fa mora ahitana asa avokoa ireo lalam-piofanana valo misy ary hahazoana diplaoma Licence sy Master.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *