Socio-eco

“TOURNOI INTERNATIONAL DE TENNIS” U14 GRADE II : Hampiakatra isa no tanjona


Sambany no nikarakara “tournoi international”, sokajy U14 Grade II ny federasiona Malagasy ny lalao “Tennis” (FTM). Hanomboka rahampitso 21 febroary 2018 ny lalao. Ny alahady 25 febroary kosa vao hifarana. Mpilalao Malagasy 20 handray anjara amin’ity fifaninana iraisam-pirenena ity. “Lalao iray ahafahan’ny mpikatroka Malagasy mahazo isa mba handraisana anjara amin’ny lalao iadiana ny tompondaka an’i Afrika (championnat d’Afrique) izy ity”, hoy ny filohan’ny FTM, Stéphane Rakotondrainibe. 500 ny isa ho enjehin’ny mpilalao Malagasy. Ho fanohanana azy ireo, nirotsaka ho mpanohana ofisialy ny “tournoi international” ny orinasa Orange.
Handray anjara amin’ny “tournoi international” izay atao eny amin’ny Club Olympique Antananarivo ny ireo mpilalao solon-tenan’ny Nosy Maurice, Botswana sy Zimbabwe. Hanara-maso ny fizoran’ny lalao ny solontenan’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja “tennis” amin’ny faritra Afrika Atsimo, Tapiwa Masunga.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *