Socio-eco

TOSIK’ART : Mpifaninana avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany no nandrombaka ny 20 tapitrisa Ariary


Nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana “Tosik’Art” nokarakarain’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny tetikasa “Managnano”. Vola mitentina 20 tapitrisa Ariary no azon’i Andriambalo Tantelinirina avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany entiny hananganana  ivon-toerana ara-kolontsaina. Nofaranana ny alin’ny 15 oktobra 2019 teny Anosy ny fifaninanana  ka natolotra tamin’io fotoana io ny lokan’ireo folo voalohany mendrika indrindra. Lelavola mitentina 15.000.000 Ariary ny an’ny laharana faharoa izay azon’i Lantoniaina Bruce avy eto Analamanga, tompon’ny tetikasa “B Audio” momba ny  famoronana sy fanamboarana « matériels de sonorisation » vita malagasy. Tetikasa fananganana « musée culturel du Grand Sud » any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no fahatelo izay notolorana 10.000.000 Ariary. Fanamboarana asa-tanana (firavaka, haingotrano,…) amin’ny alalan’ny voanio ny fahaefatra ka 5.000.000 Ariary ny loka azony  ary famoronana angano antsarimiaina (dessins animés) no fahadimy izay nahazo 2.500.000 Ariary. Vola mitentina 2.500.000 Ariary kosa ny loka ho an’ny faha 6 hatramin’ny faha 10. Nanampy tamin’ny fanatanterahina ny “Tosik’Art” hatrany amboalohany  ireo mpiara-miombona antoka tahaka an’ny banky BOA. Ankoatra ireo tosika ara-bola dia ho arahina mandritra ny herintaona izy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany.

Raha tsiahivina dia natao hampivoarana ny tetikasa mirona any amin’ny fananganana  orinasa ara-kolontsaina ny “Tosik’Art”. “Noho ny fahatsapana fa tsy dia betsaka ny orinasa mitsangana amin’ny resaka ara-kolontsaina nefa maro ny olona manana hevitra sy vina momba izany. Hita ihany koa fa manana ny maha samihafa azy amin’ny fananganana orinasa hafa ny fananganana orinasa ara-kolontsaina satria tsy voatery hita mibaribary any am-piandohana ny vola hoampidiriny, ary noho ny fahatsapana fa zava-dehibe ny kolontsaina eto amin’ny firenena no tena antony manokana nanosika ny ministera hikarakara ity hetsika fifaninanana hanampiana ireo tanora Malagasy manana vina samihafa sy tetikasa ity”. Rehefa natao ny fanentanana, tetikasa 726 no voaray manerana an’i Madagasikara  teo anelanelan’ny 5 aogositra ka hatramin’ny 13 septambra 2019. Nisy ny sivana ka tompona tetikasa miisa 25 no tafakatra tamin’ny dingan’ny famaranana. Niatrika ny fiofanana avy hatrany izy ireo nandritra ny tapa-bolana, fiofanana niandraiketan’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny fanohanana sy fandrafetana tetikasa samihafa. Raha tany am-piandohana dia dimy no noeritreretina fa hisitraka ny tosika ara-bola kanefa noho ny fahitana ny lentan’ny mpifaninana tsirairay avy dia nampitomboina 10 izany noho ny tosika nataon’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, anisan’izany ny BOA Madagascar sy ny Masoivohon’i Frantsa. Nanamafy ny praiministra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian nandritra ny lanonana famaranana ny fifaninanana fa maro ny tanora malagasy no manana hevitra sy vina fa tsy ampy tosika hahafahany mamadika izany ho zavatra mivaingana. Mila ny tosika tahaka izao ny tontolon’ny famoronana sy ny fananganana orinasa. Marihina fa tsy hijanona hatreo ny Tosik’Art.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *