Socio-eco

TOMPONA ORINASA MPITRANDRAKA ETO MADAGASIKARA: Olo-malaza amin’ny famotsiam-bola ?


 Misy amin’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara no  tsy fantatra mazava ny tena tompony. Fenitra takian’ny EITI (Extractive Industries Transparency Initiative) anefa ny fahazoana vaovao momba  azy ireo. “Mampirongatra ny kolikoly sy ny  fandosirana hetra   ny  tsy fahafantarana ny tompon’ny orinasa misitraka  voalohany ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana”, araka ny fanazavana  avy amin’ny EITI Madagasikara. Eo am-pamolavolana ny tatitra 2015-2016 ny EITI Madagasikara. Ho hita ao anatin’io tatitra io ny anaran’ireo tompona orinasa mpitrandraka eto Madagasikara. Ho famitana izany, notanterahina ny 8 febroary 2018 lasa teo ny atrikasa fampahafantarana ny tondro zotra momba ny fanambarana ireo  tena tompona orinasa misitraka mivantana ny tombontsoa amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara sy ireo tomponandraikitra manodidina azy ireo.  “Hanampy ny fanjakana Malagasy amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany ny fahazoana ny vaovao momba ireo tena tompona orinasa. Fanjakana tsara tantana amin’ny sehatry ny fitrandrahana no tanjona eto ”, hoy  ny “Général de Division aérienne” Fidy Mpanjato Rakotonarivo, “Directeur du cabinet militaire et de la sécurité nationale au sein de la Primature.

  Araka ny tatitra nataon’ny EITI (Extractive Industries Transparency Initiative) tamin’ny  taona 2014, 40 ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany  eto Madagasikara.  Noresahana nandritra atrikasa asa tamin’ny  8 febroary 2018 ny fomba ahafantarana ireo tena tompona orinasa mpitrandraka.  “Sao sanatria miara-miasa amin’ireo  olo-malaza amin’ny famotsiam-bola,  tsy mpandoa hetra na mpampihorohoro ny fanjakana Malagasy?”.  Nanamafy ny sekretra mpanatanteraka ny EITI Madagasikara, Daniela Andriafeno, fa fitaovana iadiana amin’ny kolikoly ny fanarahana ny fenitra takian’ny EITI izay ratsa-mangaika  iraisam-pirenena ivondronan’ny governemanta, orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy firaisamonim-pirenena.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *