Socio-eco

TOHAN-DRANON’ANDEKALEKA : Miankina aminy parc Mantadia


Ala arovana sy toerana mando ny ao amin’ny « Madagascar National Parks », Mantadia. Tsy vitan’ny misintona ny « carbone » ihany ny ao amin’ny parc fa mamatsy ny tohan-dranon’Andekaleka ihany koa raha ny fanazavan’i Andriamiadanarivo Daniela, mpitari-dalana ao amin’ny « Madagascar National Parks ». Misy renirano maro ao, toy ny renirano Beanamalao, Sahatany, Sahatandra…  ka mikambana ao amin’ny reniranon’i Ivohitra izay tonga any Andekaleka.  Raha sanatria simba io Parc Mantadia io, dia tsy hisy ny jiro vokarina ao. Mirefy 16875 Ha ny velaran’ny misy ny MNP. Telopolo taona izao ny MNP satria tamin’ny Janoary 1989 no nanaovana azy ho parc. Miara-miasa amin’ireo mponina manodidina kosa ny MNP amin’ny fiarovana io toerana io. Ahitana biby maro isan-karazany ao toy ny gidro…Betsaka ireo vahiny mitsidika ny « Madagascar National Parks ». Eo ihany koa ireo mpikaroka isan-karazany. Amporisihina ny Malagasy hitsidika ny MNP satria azon’ny rehetra atao  ny mandeha any an- toerana kanefa kosa misy fidirana izay 2000 Ariary ho an’ny olo-dehibe ary 500 Ariary ho an’ny ankizy raha Malagasy.

Nirina R.


One comment on “TOHAN-DRANON’ANDEKALEKA : Miankina aminy parc Mantadia

  1. Pingback: TOHAN-DRANON’ANDEKALEKA : Miankina aminy parc Mantadia - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *