Socio-eco

TOERANA MANODIDINA NY ROCADE IARIVO: Fokontany 4 mendrika indrindra tamin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana


Voasoroka hatramin’ny fahatsetsenan’ny lakandrano sy halatra vy. Fokontany 11 voakasikin’ny fanamboaran-dalana Rocade Iarivo no nandray anjara tamin’ny fifaninanana « fokontany maintso » na « fokontany vert ». Ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny Ministeran’ny asa vaventy ary ny Agence Routière no nikarakara ny fifaninanana ho fikojakojana ireo toerana manamorona ny lalana Rocade sy ho fampandraisana anjara ny mpiara-belona amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana. Nomena zanakazo 250  sy fitaovana fanadiovana ireo fokontany ireo. Rehefa nidina teny an-toerana  ny ekipan’ny tetikasa nanaramaso ny fivoaran’ny fahadiovana sy fikojakojana ireo zanakazo nambolena tamin’ireo toerana natokana ho amin’izany dia fokontany 4 no mendrika indrindra tamin’izany. Anisan’izany ny fokontany Amoronankona, Soamanandrariny, Amboditsiry ary Ambohimahitsy. Notolorana fitaovana informatika izy ireo izay ahitana « ordinateur » sy « imprimante » ary kojakoja ilaina ao amin’ny biraom-pokontany. « Nandresy lahatra anay ho fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny fifaninanana ary voasoroka koa  ny fahatsetsenan’ny lakandrano. In-droa na in-telo isan-kerinandro izahay no manaramaso iny toerana iny hitsinjovana izay mety ho fahasimbana na fandotoana. Manentana ny olona hanaja ny fotodrafitrasa ihany koa izahay mba hanànana zavatra tsara. Hita fa tsy nisy ny halatra vy tety amin’ny fokontany satria hitan’ny olona fa mandray andraikitra sy manaramaso izahay ka tsy sahy manaonao foana izy ireo », hoy Ramamonjisoa Tiana, Sefo fokontany lefitra ao Amboditsiry. Nohamafisin’ i Andriamahafaly Rabearimanana Zaka, Tale Jeneralin’ny Fanajariana ny tany fa  tetikasa niarahan’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy fananantany sy ministeran’ny asa vaventy ny tetikasa Rocade.  Ny AFD sy ny Vondrona Eraopeanina no namatsy vola ny tetikasa  . Nambarany fa anatin’ny fikojakojana ny lalana ny fampandraisan’andraikitra  ny fokontany, ny fanentanana eny  amin’ny fokontany hamboly hazo manamorona ny lalana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *