Socio-eco

TOERAM-PITRANDRAHANA AO AMBATOVY : Ny taona 2017 no nanomboka ny fanarenana ny ala


Ezahana hiverina toy ny teo aloha. Mila fotoana lava ny fanarenana ireo ala sy zavaboahary ao amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy ao Moramanga. Fanarenana ny rohivoahary no atao .AMBATOVY - Moramanga 2 « Miezaka hanantona ny voajanahary ny famerenana ireo zavaboahary teo ambon’ny fitrandrahana. Eo ihany koa ny hisintonana ireo biby isan-karazany, ny vorona manidina hiditra ao anatin’io ala vaovao io». Karazan-kazo 400 no ezahana averina ho ala vaovao. Karazany 175 no efa vita ny namboly azy, hoy ny tomponandraikitra misahana ny tontolo iainana ao Ambatovy. Karazany roa lehibe ireo karazan-kazo dia ny « espèces pionnières » sy « espèces forestières ». Miankina amin’ny « espece pionnières » ny fanirian’ny  « espèces forestières » satria mila aloka izy ireo. Karazan-kazo teo ihany no averina eo fa tsy asiana karazany hafa. 1700 Ha izay misy ny fitrandrahana amin’ny ankapobeny no averina amin’ny laoniny kanefa misy ihany no tsy ho volena ala, toy ny lalana, toha-drano, ireo trano naorina, toerana ambolen’ny mponina…Tsy ho 100% noho izany ny famerenana ireo ala tsy maintsy nesorina noho ny fitrandrahana. Eo amin’ny 24 Ha isan-taona farafahakeliny no tokony hovolena hazo. Nandritra ny krizy aram-pahasalamana roa taona nifanesy kosa anefa dia tsy tratra io tanjona io. Ny taona 2021, nahatratra 25 Ha ary eritreretin’izy ireo ahatratra izany amin’ity taona 2022 ity.

Tanin-jana-kazo

AMBATOVY - Moramanga 1Manana tanin-janan-kazo mirefy iray hektara eo ny Ambatovy. Mizara roa ireo voan’ny hazo tehirizina, misy ireo voa azo tehirizina aman-taonany maro ary ireo izay amam-bolana. Ny 80% ireo voa ny ala atsinanana dia enim-bolana eo ny azo tehirizina. Miara-miasa amin’ny mponina ny Ambatovy amin’ny famokarana ireo zanan-kazo. Ambatovy mamatsy voa ary izy ireo mikarakara ka aterina eny amin’ny fanangonana ireo zana-kazo. Vidian’ny orinasa izany zana-kazo izany. Natokana toerana manokana ireo karazana « orchidée » hita tao anatin’ny ala notapahana. 283 no karazana « orchidée » hita tao amin’ny toeram-pitrandrahana ity raha 1000 izany manerana an’i Madagasikara. Raha ny fantatra dia ity toerana fitahirizana « orchidée » ity no lehibe indrindra aty afrika ary misy miteny aza fa lehibe maneran-tany amin’ny sehatra toy ny fitrandrahana tahaka izao ka tsy maintsy manala azy ireo ho tehirizina mandram-pamindrana azy indray.

AMBATOVY - Moramanga 3Marihana fa Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana ity orinasa voalohany eto Madagasikara mampiasa vola be indrindra amin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta ity ka tafiditra ao anatin’ny bokin’andraikitra ny famerenana ny zava-boahary teo ambonin’ny toerana avy nitrandrahana. Nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny tontolo iainana ao Ambatovy Moramanga fa raha mbola misy azo atao dia sorohana ny fahasimban’ny ala ary efa misy ny fepetra mifanaraka amin’izany. Ohatra, ny familiana tamin’ny toerana tsy misy ala ny lalan’ny “pipeline”, mandefa ny tanimena, ahitana ny akora fototra dia ny nikela sy ny kobalta, mankany amin’ny orinasa mpanodina any Toamasina. Mirefy 220 kilometatra eo ny halavan’ity “pipeline” ity. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, rehefa azo ny tanimena dia afangaro rano (60 % rano ary tanimena 40 %). Ampidirina ao anaty milina izany ary esorina ao anatin’ny tanimena ny fasika sy vato mba hanamoràna ny fandefasana ny fotaka amin’ny alalan’ny “pipeline”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *