Socio-eco

« The Creative Life » : Roa ny nahazo loka


Maro ny lalao azo natao nandritra iny fifaninana baolina kitra maneran-tany iny. Anisan’ireo nikarakara lalao ho an’ny mpanjifa ny fahitalavitra « The Creative Life » ( TCL ) ny «Uditec» . Nosarihina ny sabotsy 21 Jolay 2018 lasa teo ireo mpanjifa roa tsara vintana ka nahazo televiziona marika TCL tetsy Ankorondrano. Lasan’i Raharinivo Célestin ny fisarihana voalohany ka nazahoany ny televiziona 43 pouces izay mpanjifa teto Antananarivo. Amada Ali nividy fahitalavitra TCL tany Toamasina kosa no laharana faharoa nahazo ny televiziona 32 pouces.
«Miparitaka manerana ny firenena 160 ity marika iray ity. Efa azo jifaina eran’ny nosy koa izany amin’ireo mpaninjara isan-karazany manerana ny nosy», hoy Melody Randrianatoandro, tale ara-barotry ny « The Creative Life » eto Madagasikara. Manana ny kalitaon-tsary «QLED, 4K, UHD, Full HD». «smart Tv » ihany koa izy ity azo andraisana ny sary sy feo amin’ny «DVBT2» ary « Android Tv». Laharana fahatelo izy amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ireo habehany azo isafidianana tsara. Manomboka amin’ny 32 pouces ka hatramin’ny 75 pouces izany. Miavaka izy amin’ny hatsarany, mora vidy kokoa raha miohatra amin’ny hafa ary roa taona ny fiantohana omena ny mividy ny TCL.
Marihana fa ny orinasa «Uditec» no mpaninjara ofisialy ny TCL eto Madagasikara.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *